Filtrer les éléments par date : samedi, 03 septembre 2022

Nahemotra androany sabotsy 03 septambra 2022 amin'ny 9ora17minitra alina, ora eto Madagasikara ny sambondanitra Artemis raha tokony niainga ny alatsinainy 29 aogositra 2022, fa noho ny antony ara-tekinika dia nahemotra ny fiaingana.

Ora vitsy alohan'ny fiaingana androany indray, dia nanapa-kevitra ny anemotra izany sidina izany indray ny NASA, fa misy mitete ny solika tokony anosika ny sambondanitra.

Ny hiverina andefa olona eny amin'ny volana moa ny tanjon'ity tetikasa ity, fa manao andrana ahitana ny fahazakan'ny sambondanitra sy ny mety hiarovana ireo mpanamory moa no tanjona amin'izao, satria ny tanjona dia 400 000km no alavirana haleha, raha 400km fotsiny no efa mahazatra hiazoana ny ISS, zana-bolana misy olona mipetraka mifandimby ankehitriny.

Publié dans Vaovao

Nitrangana haintrano tao amin'ny toeram-ponenan'ny mpianatra ao amin’ny Oniversiten’i Fianarantsoa io atoandron'ny sabotsy 03 septambra 2022 io. Nirehitra ny ampahany amin'ny trano préfabriqué bloc Q5.

Tsy mbola fantatra ny anton'ny firehetana.
Nifarimbona namono ny afo ny Mpianatra, nampian'ny Fokonolona manodidina, ary ny mpamonjy voina.

Publié dans Tselatra

Namoy ny ainy, tamin'ny talata 30 aogositra, teo amin'ny faha 91 taonany ny filoha farany an'i URSS, Mikhaïl Gorbatchev, rehefa nitsabo tena tamin'ny areti-mitaiza nahazo azy.

Notontosaina androany sabotsy 03 septambra 2022 ny fanaovam-beloma azy farany sy ny fanitrihina azy.
Tsy nihatrika izany ny Filoha Rosianina Vladmir Poutine, raha nametraka fotsiny fehezam-boninkazo, nanoloana ity filohan'ny URSS teo aloha fotsiny izy, tany amin'ny hopitaly namoizany aina, ny alakamisy lasa teo.

Ny Praiminisitry Hongrie, Viktor Orban, ihany no lehibem-panjakana hafa nanatrika izany, noho ny ady misy eo amin'ny Rosia sy Ukraine, satria ny filoha Mikhaïl Gorbatchev no anisany nanala an'i Hongrie tamin'ny jiogan'ny Rosianina. Tsy misy fihaonana eo amin'i Viktor Orban sy Vladmir Poutine.

Publié dans Politique

Manoloana ny ady hifanandrinan'i Ukraine sy Rosia, dia nampivarahontsana an'izao tontolo izao ny daroka baomba manodidina ny tobi-pamokarana herinaratra nokleary lehibe indrindra izay mamatsy an'i Eaoropa, ao Zaporijjia Ukraine.

Nivory aingana ny teo anivon'ny firenena mikambana, ka nanao fanelanelanana teo amin'i Rosia sy Ukraine, izay mifanilika sy manondro ny andaniny ho tompon'antoka amin'izany daroka baomba izany, ka dia nifanaiky fa hisy fitsirihina ny toby famokarana, avy amin'ny Agence internationale de l'énergie atomique, AIEA, izay tarihin'ny tale, Rafael Grossi, hijery ny zava-misy marina ao amin'ny Toby famokarana herinatratra nokleary.

Afaka nanatontosa izany malalaka izahay hoy ny talen'i AIEA, Rafael Grossi, raha nihaona tamin'ny mpanao gazety izy omaly zoma 02 septambra 2022. Izay toerana rehetra, mahakasika ny famokarana, tianay notsidihina dia nekena avokoa hoy izy.

Publié dans Editorial

Nitohy androany sabotsy 3 septambra ny hetsiky ny vadin'ny Mpiasan'ny SECREN ao Antsiranana. Nizara kojakojam-pianarana ho an'ny ankizy zanaky ny mpiasa, izay notarihin'ny filohan’ny fikambanana roa vavy.

Izany no tanteraka dia noho ny fitia tsy mba hetra, na téléthon, natao ny fiandohan’ny volana jolay lasa teo, nanoloana ny Lapan'ny tanàna Antsiranana farany teo, izay nahangonana vola 7 600 000 Ariary (38 000 0000 fmg).

Mbola miantso vonjy izy ireo fa sahirana, ny mpiasa hatreto tsy zarizary ny fandraisan-karama.

(Jereo Sary Tohiny)

Publié dans Sociale

Tovolahy zanaky ny distrikan'Isandra, Faritra Matsiatra Ambony i Nambinintsoa Alpha Narcisse. Izy no nahazo ny salan'isa ambony indrindra tamin'ny fanadinana bakalôrea 2022.

Série C izy, ary 17,42/20 ny salan'isa azony.

Tamim-pitiavana no nitondran'ny solombavambahoakan'Isandra
Voahanginirina Zafimandimby Marie Laurette azy tao amin'ny Antenimieram-pirenena.

Publié dans Sociale

Amidy amin’ireo mpamongady amin’ny vidiny ara-drariny 135 000 Ariary ny gony 50kg amin’ny Lafarinina Tsinjo, tsara kalitao, ao Toliara.

 

Publié dans Economie
samedi, 03 septembre 2022 10:26

Rallye : Nodimandry i Boom

Nindaosin'ny fahafatesana i Solofonirina Mamy Patrick na i Boom. Nolazoin'ny aretin'ny voa izy, ary io no nitarika ny fahafatesany.

Publié dans A la Une
samedi, 03 septembre 2022 06:51

Gasy tia merci prezida

Merci Tsiranana
Merci Ratsiraka
Merci Zafy
Merci Ravalo
Merci Rajao
Merci Rajoelina

Na nomena io vola io, izay misy tambiny foana, na trosa io, na vola Malagasy madiodio, dia mpitantana sy mpanatanteraka ihany ny Filoha.

Isaorana tokoa izy ireo nanatanteraka ny asa, fa ny vola dia an'i Malagasy nanao koti kota tamin'ny alalan'ny hetra nalaina taminy, na mbola ho takiana aminy sy ny taranany raha trosa, ka tokony Merci ho an'ny Gasy mpandoa hetra izany.

Ny fiteny izany dia hoe : izay ihany ve no vita tamin'ilay vola nanaovanay koti kota, avoay ny kaonty, toa tsy fantatra ohatrinona no nanamboarana io lalana na fotodrafitrasa io?

Bon week-end.
Patrick

Publié dans Pilo kely