Filtrer les éléments par date : dimanche, 25 septembre 2022

Naleony niala ! Nametra-pialana ny Tale Jeneralin’ny Tranombokim-pirenena eo anivon’ny Minisiteran’ny Serasera sy ny Kolontsaina, etsy Ampefiloha, Andrianjaka Hasina Maminirina RAONISON.

Izy izay nandray io toerana io tamin’ny 22 Martsa 2019, nandimby toerana an'i Willy Rahetilahy.

Tsy nambara ofisialy ny antony nitarika ho amin'izao fametraham-pialana izao, na izany aza tombanan'ny mpiasa ho tsy fitoviana fomba fijery sy resa-pitantanana no ambadik'izao.

Velon'ahiahy ny mpiara-miasa aminy, indrindra ireo mpiasan'ny ANTA (Agence Nationale Taratra) teo aloha izay nisafidy ny hifindra hiasa ao, nisahana ny Arsiva, ankoatra ireo lasa ao amin’ny ORTM, manoloana izao fametraham-pialan'ny Tale Jeneraly izao. Tsy misy mangirana mantsy hatreto ny mety ho fandraisana ho mpiasam-panjakana raikitra azy ireo.

 

Publié dans Art et Culture

Nanao fanambarana ny CORAS (Conseil d'orientation et de Redressement pour l'avenir de la SECREN) io tolakandro io, nilaza fa hadinon'ny fanjakana ny orinasa SECREN, ka miangavy olo jiaby tsy hanaiky ny fahapotehan'ity orinasa reharehan'Antsiranana ity.

Tao amin'ny Restaurant Le Kilao's Grand Pavois Antsiranana ny CORAS no nanao fanambarana niaraka tamin'ny Fiarahamonim-pirenena sy ireo olobe an-tanàna.

Volana maro no tsy nandray karama ny mpiasa. Fitia tsy mba hetra sy tsipaipaika no ifanohanan'ny vadin'ny mpiasa sy ireo tsara sitrapo iahiana ny sosialin'izy ireo.

(Jereo Sary Tohiny)

Publié dans Sociale

Tena manana vokatra cacao tsara i Madagasikara. Na latsaka aza ny habetsahan’ny vokatra malagasy, raha miohatra amin’ny vokatra cacao any Côte d’Ivoire sy Ghana, dia manana ny toerantsika isika amin’ny hatsaran’ny vokatra, satria manana “label cacao fin 100%”.

Nampiditra 24,5 tapitrisa dôlara ny fanondranana cacao tamin’ny taona 2021. Nahatratra 14 783 taonina ny habetsahan’ny vokatra naondrana tamin’io taona io, izay avy ao Ambanja ny ankamaroany.

Kaoperativa 23 no mivondrona ao amin’ny UCLS (Union des Coopératives Lazan’i Sambirano) ho an’ny mpamboly cacao any Ambanja. Miparitaka amin’ny kaominina sivy, ary manana mpamokatra 460 isa izy ireo.

Publié dans Economie

Feno telo taona katroka amin’ity 25 septambra 2020 ity no nanombohan’ny fanendrena an’ireo Governoran'ny Faritra.

Niisa 11 izy ireo no noraisina nandritra ny Filankevitry ny minisitra ny 25 septambra 2019 ny didim-panjakana nanendrena ny andiany voalohany tamin'izy ireo.

Telo taona aty aoriana, voatendry ho minisitra ao anaty governemanta Ntsay Christian ny roa amin'izy ireo, nesorina tamin’ny toerany, ary tsy mbola voasolo hatramin'izao kosa ny iray, dia ny Governora Alaotra Mangoro.

Publié dans Politique

Tontosa ny sabotsy 24 septambra 2022 ny fanokafana ny taom-pikatrohana ho an’ny antoko Hery Vaovao ho an'i Madagasikara na HVM.

Nisy ny varavarana misokatra notanterahina tao amin’ny foiben-toeran'ny HVM eo Andraharo Antananarivo, namintinana an-tsary ny tantara sy ny vina ary asa efa vita nandritra ny fitondran'i Hery Rajaonarimampianina. Ity farany izay niditra nivantana tamin’ny visioconference nandritra ny fanokafana.

Nisy famelabelaran-kevitra, nataon'ny mpandrindra nasionaly Rivo Rakotovao, sy mpandray anjara hafa nahitana minisitra teo aloha sy ny avy amin'ny fiarahamonim-pirenena.

Publié dans Politique

Ny Faritra Analamanga no mbola ahitana tranga Covid-19, na efa hita ho lefy izany any amin’ny Faritra hafa.

(Jereo Sary Tohiny)

Publié dans Tselatra

Efa aman-taonany izao ireo mpianatra mandranto fianarana any Rosia no mijaly amin'ny fandraisana ny fanampiana ara-bola tokony omen'ny Fanjakana malagasy.

Ilain'ireo mpianatra anefa izany, satria tsy manan-jo hiasa ihany koa izy ireo, nefa tsy maintsy miantoka ny fiainana any an-toerana.

Ankehitriny moa, misy ny famoriana ireo tanora hiatrika ady any Ukraine ataon'ny fitondrana rosianina, ka na ireo mpianatra vahiny aza dia afaka manolo-tena ho amin'izany, izay misy fanampiana ataon'ny fitondrana rosianina ho an'ireo milatsaka an-tsitrapo.

Misy mihitsy aza no mety ahahazo ny zom-pirenena rosianina ho an'ireo sokajia tanora hiditra amin'izany.

300 000 mahery ireo tanora antsoina miaramila, misy mihitsy aza ireo sion-dresaka fa mitady tanora 1 000 000 ny fitondrana rosianina, ary ho an'ireo izay miaramila fiandry reserviste, dia misy sazy lehibe, hatramin'ny fanagadrana 10 taona an-tranomaizina ho an'ireo mandà amin'izany antso izany.

I Rosia moa anisan'ireo firenena nanesoran'ny fitondrana malagasy ireo ambasadoro maneran-tany tamin'ny 2019, ary hatreto mbola tsy misy solony.

 

 

Publié dans Politique