Filtrer les éléments par date : samedi, 24 septembre 2022

Nandray ny asa maha sefo fokontany vaovao azy i ramatoa Rasoaniaina Voahiranirina sy Daniella Ranaivohelisoa filoha lefitra, ao amin'ny fokontany Ambatomainty, Boriborintany faha 5, Antananarivo Renivohitra, ka anisan'ny fanamby napetrak'izy ireo ny hisian'ny fahadiovana eo amin'ny fokontany iadidian'izy ireo.

Arak'izany dia nanentana ireo mponina ao amin'ny secteur 3 ireo mpikambana ao amin'ny biraom-pokontany, hiaraka hanadio ny tatatra mitondra ireo rano maloto, izay tena feno fako sy tsy misy fikarakarana velively.

Niaraka nientana tamin'izy ireo tamin'izany ireo Ray aman-dreny ao an-tanàna, ireo tsara sitrapo, fa mbola hita ny tsy fandraisana andraikitra eo amin'ny sasany, izay mitazam-potsiny.

Publié dans Sociale

Mitohy hatrany ny hetsika fanentanana sy fampianarana ataon'ny Ministeran'ny Fitaterana sy Famantarana ny Toetr'andro, mahakasika ny ady amin'ny lozam-pifamoivoizana, manoloan'ny fisotroana zava-mahamamo eo am-pamiliana.

Fidinana, izay iarahana manatanteraka amin'ny Zandarimariam-pirenena sy ny Polisim-pirenena, isaky ny 15 andro eto Antananarivo sy ny manodidina.

Miisa 400 ireo mpamily nosavaina ny alin’ny 23 septambra nanomboka tamin’ny 9 ora alina.

Publié dans Tselatra

Nomontsanin'i Madagasikara tamin’ny isa mazava 5 no 0 i Seisela androany teo Mahamasina, nandritra ny lalao mandroso amin’ny fifanintsanana CAN latsaky ny 23 taona.

Efa nitarika 3 no 0 ny Malagasy nandritra ny fizaram-potoana voalohany.

Hotanterahina eo amin’ny kianja Barea ihany ny lalao miverina amin’ny talata ho avy izao, noho ny tsy fananan'i Seisela kianja ankatoavin'ny CAF.

 

Publié dans Sport

Notanterahina ny zoma 23 septambra 2022 teo ny Kongresin'ny Antoko TGV Distrika Bekily, Faritra Androy.

Koa tonga nanome voninahitra sy nanotrona izany taty an-toerana ny Sekretera Nasionalin’ny Antoko TGV Faritany Toliara, Roberto Tinoka izay minisitry ny Tanora sy Fanatanjahantena, sady minisitra mpiahy ny Faritra Toliara.

Natao izao, hoy ity farany, mba hanamafisana ny firaisankina sy ny fahavononana eo amin'ny samy mpikambana. Nanehoana ihany koa fa velona ny Antoko TGV, miaina sy manana vinam-piarahamonina. Manana rafitra mazava ihany koa, ary antoko vonona hiatrika fifidianana, satria i Madagasikara dia tany demokratika, ka amin'ny alalan’ny fifidianana hatrany no akana fahefana.

Publié dans Politique

Nisy fitomboana ny vokatra herinaratra azon'ny mpanjifa jifaina tato anatin’ny efatra taona farany.

Raha teo amin’ny 400MW ny taona 2018, ka 15% n'ny mponina no nisitraka ny herinaratra, dia tombanana hahatratra 690MW izany hatramin'ny faran'ity taona 2022 ity, ary 26% ny taha.

Ny parc solaire no tena hitombo betsaka, raha toa ka any amin’ny 2027 any vao tena hianoka herinaratra vokarina amin’ny riandrano isika, raha ny fanazavan'ny minisitry ny angovo sy ny akoran’afo, Andry Ramaroson.

(Jereo Sary Tohiny)

Publié dans Sociale