Filtrer les éléments par date : vendredi, 23 septembre 2022

Nanatanteraka hetsika fitsirihana tampoka an-dalambe teo Tanjombato ny Foibe fitsarana fiarakodia androany zoma 23 septambra 2022, nonomboka tamin’ny 05 ora ka hatramin’ny 08 ora maraina, ho fiarovana ny ain’ny mpampiasa lalana, indrindra fa ireo fiara fitaterana olona sy entana.

Atoa Kolonely, Lehiben’ny Sampan-draharaha misahana ny fitsirihana ara-teknika an-dalambe (SOCR) sy ny ekipany no nanatontosa ny hetsika.

Nosavaina avokoa, tsy nisy fanavahana, ireo karazana fiara rehetra, na ireo laharana vahiny na ireo mpitatitra olona na ireo mpitatitra entana, teo ihany koa ireo fiara nisy “vitre fumée” izay nasaina nanala izany avy hatrany.

Publié dans Vaovao

Noraisin’ny Filohan’ny Antenimieram-pirenena Razanamahasoa Christine teny amin’ny Lapan’i Tsimbazaza ny zoma 23 septambra 2022 maraina ireo mpisolo tenan’ny mpanakanto.

Noresahina nandritra ny fihaonana ny mikasika ny tolo-dalana manatsara ny fitantanana ny OMDA (Office Malgache du Droit d’Auteur) izay natolotry ny Solombavambahoaka Rahasimanana Paul Bert na i Rossy.

Mahatsapa ireo mpanakanto fa fotoana izao hanamboarana ny mikasika ny OMDA satria ny lalàna mifehy azy dia efa tamin’ny taona 1994 ka tsy mifanaraka intsony amin’ny zava-misy ankehitriny.

Publié dans Art et Culture

Nankahery ireo niharam-boina tany Ikongo ny Filohan’ny Antenimieram-pirenena Razanamahasoa Christine, ny zoma 23 septambra 2022, tao amin’ny Lapan’i Tsimbazaza, nandritra ny fandalovan’ireo mpikambana ao amin’ny zanak’Antanala (ZANTA).

Nanolotra lelavola 5 tapitrisa Ariary izy hanampiana ireo niharam-boina, ary nirary indrindra ny tsy hisian’ny toe-javatra sahala amin’iny nitranga iny intsony.

Ny Filohan’ny Antenimieram-pirenena moa dia sady filohan’ny Fikambanan’ny Zanaky ny Faritan’i Fianarantsoa (FIZAFAFI), izay misy ny Distrika an’Ikongo.

(Jereo Sary Tohiny)

Publié dans Politique

Nilatsahan’ny mpanara-maso avy amin’ny Ministeran’ny Fampiroboroboana ny Indostria sy ny Varotra MICC ny tsenan’Ambonisoa Bemasoandro Itaosy ny Alarobia 21 Septambra 2022.

Tratra tao amin’ny mpivarotra iray ny entana efa simba. Tsy voahaja koa ireo fepetra mametraka ny fenitry ny fitehirizana entana fihinana.

Nogiazana avy hatrany ireo entana ireo, ary nampahafantarina ny mpivarotra ny lalàna velona.

Publié dans Sociale

Noraisin' Andriamatoa Sekreteram-panjakana miadidy ny Zandarimariam-pirenena (SEG) Jeneraly GELLE Serge tao an-tokatranony androany maraina ny Association Albinos Madagascar, niresadresaka sy nitafatafa, hiitadiavam- bahaolana mahakasika ny olana sedraina amin'izao fotoana izao, ary hanatsarana ny fiaraha-miasa eo anivon'ny Zandarimariam-pirenena sy ny fikambanana Albinos Madagascar.

Nanolotra lelavola roa (02) tapitrisa ariary (fitaovam-pianarana, écolage, sakafo,...) ihany koa izy ho fanampiana amin'ny fiantohana ny fianaran'ilay zazalahy albinos (ANDRIANATARATRA Jule Josaphat), izay nisedra olana andro vitsivitsy lasa izay, teo amin'ny lafiny fianarana teny Ivato.

Nankasitraka izao fandraisana sy fanampiana izao ny fikambanana.

(Jereo Sary Tohiny)

 

Publié dans Sociale
vendredi, 23 septembre 2022 14:40

BAHOEJY : Tanteraka ihany ny faniriany

Izy no BAHOEJY‚ mpamorona sy tompon'ny dihy BAHOEJY, mampiavaka ny Faritra Sofia. Iray tamin'ireo mpanakanto sy mpamorona notoloran'ny Ministeran'ny Kolontsaina sy serasera mari-boninahitry ny kanto, ny soratra, ary ny kolontsaina (OALC) tao Antsohihy izy ny 12 septambra 2022.

Faniriany ny mba hananany trano mateza hitoerany, ary ny hisitrahany tombontsoa amin’ny maha mpanakanto azy.

Nandre izany antso izany ny Jeneraly Lylyson René de Rolland, Governoran'ny Faritra Sofia sady zanak'i Sofia, dia nidina ifotony, ary nitondra fanampiana maro : Jiro Mazava, mandeha amin’ny herin’ny masoandro‚ jiro lampadaire fanazavana tanàna, finday mba hafahan’ny olona mifandray sy manampy azy.

Natomboka androany zoma 23 Septambra 2022 ny fanamboarana trano mendrika ho azy, misy efitra 02 sy lakozia, ary ho tafoina fanitso, ka ho vitaina ao anaty iray volana sy tapany ny asa.

Publié dans Art et Culture
vendredi, 23 septembre 2022 14:35

Ivato : Mitokona ireo "Contrôleur aérien"

Manatanteraka fitokonana nanomboka androany ireo mpanara-maso ny sidina anabakabaka, na Contrôleurs aériens, eo anivon’ny ASECNA.

Publié dans A la Une

Mandroso ny asa fanamboarana vonjy maika "Travaux d'urgence" izay tanterahina amin'ny lalam-pirenena faha-33B (RN33 B) eo anelanelan'Andranofasika sy Ambatoboeny amin'ny PK 5+820; PK 8+050; PK 12+000.

Manodidina ny 80% ny fandrosoan'ny asa ankehitriny. Asa fanamboarana "dalot", fanoloana ireo "buses en béton" izay lasan'ny rano, ary famerenana amin'ny laoniny ny arabe izay atao tara notanterahin'ny orinasa ECH BTP.

Mitohy hatrany ny asa fanarenana ireo lalam-pirenena hahafahan'ny vahoaka mivezivezy am-pilaminana.

(Jereo Sary Tohiny)

 

Publié dans Vaovao

Nihaona tamin'ny Sekretera Jeneralin'ny Firenena Mikambana, Antonio Guterres, ny Filoham-pirenena Andry Rajaoelina ny 22 septambra 2022 tany New York.

Nanao antso avo tamin'ireo Firenena tena mpandoto tontolo iainana moa ny Filoha Andry Rajoelina tamin'ny lahateniny, nandritra ny fivoriambe faha 77 ny Firenena Mikambana, ny hanatanterahan'izy ireo fifanarahana tamin'ny COP21, izay nohamafisina tamin'ny COP26.

Nanambara Atoa Antonio Guterres fa hanohana an'i Madagasikara amin'ny fahazoan'ny firenena malagasy ny anjarany amin'ilay "Fonds vert Climat".

I Madagasikara rahateo efa nahavita nandrafitra ny "Plan National d'Adaption" ka hanamora ny fisitrahana izany anjarany izany.

Nanamafy ny fanohanan'ny Firenena Mikambana an'i Madagasikara ihany koa ity Sekretera Jeneraly ity, indrindra amin’ny fanatanterahana ireo vina sy paikady entina hampiharin-doha an'i Madagasikara manoloana ireo krizy maneran-tany, toy ny ady any Ukraine.

Nambarany ihany koa fa hisokatra tsy ho ela eto Madagasikara ny biraon'ny UNEP, na ny "Agence Onusienne de Protection de l’Environnement à Madagascar".

 

Publié dans Sociale

Mamaramparana ny fankalazana ny faha 60 taona nisiany ny Polisim-pirenena. Tafiditra anatin'izany dia misy hetsika fanomezan-dra maimaimpoana hamonjeny ny mpiara-belona aminy.

Natomboka ny Alakamisy 22 Septambra izany fanomezana ra izany, ary mbola hitohy ny zoma 23 Septambra 2022.

Niitarika ny Polisy nanome rà ny Minisitry ny Filaminam-bahoaka, Contrôleur Général de Police RANDRIANARISON Fanomezantsoa. Nambarany fa teny filamatry ny Polisy ny miaro sy manampy vahoaka, ary ny fanomezana rà dia fanampiana ny Malagasy, izay tojon'ny tsy fahasalamana.

Tonga nanotrona teny an-toerana ihany koa ny Ministry ny fahasalamam-bahoaka ny Profesora RANDRIAMANANTANY Zely Arivelo, izay nilaza fa fihetsika maha te hidera no nasehon'ny Polisy.

Polisy miisa hatramin'ny 1000 mahery any no hanome rà mandritra ny roa andro.

(Jereo Sary Tohiny)

 

Publié dans Vaovao