Filtrer les éléments par date : mercredi, 21 septembre 2022

Hotanterahina aty Toamasina ny 1, 2 ary 3 desambra 2022 ny tsenabe ara-toekarem-paritra "ROA NO IRAY", hampiarahana amin'ny fotoana miaraka ny "Foire Économique commerciale 2022", sy ny "Foire TOAM'KETRIKA" andiany faha-2.

Fanamby tokoa ny fampitambarana an'ireto hetsika roa ireto hoy ny Goverinoran'ny Faritra Atsinanana RAFIDISON Richard Théodore, satria ny "Foire Économique commerciale" dia natao hifampahafantaran'ireo indostria lehibe sy salantsalany ; ny "Foire TOAM'KETRIKA" kosa dia natao ho an'ireo tanora sy vehivavy ary mpandraharaha madinika, izay vao miditra amin'ny tontolon'ny fihariana sy fandraharahana.

Zava-dehibe ny fampiarahana azy roa ireo, hoy hatrany ny Governora, ary tanjona ny handraisan'ireo mpandraharaha Malagasy manerana ny Nosy anjara.

Publié dans Sociale

Anjaran'i Toamasina, Faritra Atsinanana indray androany alarobia 21 septambra 2022, no nanohizan'ny Mpitahiry ny Tombokasem-panjakana, Minisitry ny Fitsarana RAKOTOZAFY François, ny atrik'asa ahafahana manatanteraka ny hetsika Kopia faobe, hanaovana fitsarana miteti-vohitra, hisitrahana kopia sy kara-panonondrom-pirenena eto Madagasikara.

"Tsy misy ambadika politika", hoy ny Minisitry ny Fitsarana ity hetsika ity, fa tsy rariny raha mbola misy ny olona tsy misitraka ny zo fototra amin'ny fananana kopia nahaterahana, karapanondrom-pirenena, ary tsy misoratra anarana ao anatin'ny lisi-pifidianana.

Nitarika ireo manampahefana avy aty Toamasina ny Préfet AMBININTSOA Jean José, ny Sekretera Jeneralin'ny Faritra BEMAHEFA Gervais, ny Ben'ny tanànan'ny Toamasina RAKOTONIRINA Nantenaina Herilala, notronin'ireo tale sy lehiben'ny sampan-draharahan'asam-panjakana maro.

(Jereo Sary Tohiny)

Publié dans Sociale

Nohamafisina tamin’ny fanaovan-tsonia tetsy amin’ny Hôtel Grand Mellis Tsaralalàna androany 21 Septambra 2022, ny fiaraha-miasa eo amin’ny CRS Madagascar sy ny Ministeran'ny fampiroboroboana ny indostria sy ny varotra ary ny fanjifana (MICC), amin’ny alalan’ny Foibem-pitondrana misahana ny Fampiroboroboana ny Fandraharahana (DPE).

Tanjona ny fampivoarana ny tontolon’ny fandraharahana eo amin’ireo vehivavy marefo sy ireo vehivavy manana fahasembanana any amin’ny Distrikan’i Beloha sy Tsihombe (Faritra Androy) sy ny Distrikan’Ampanihy (Faritra Atsimo Andrefana).

Tafiditra tanteraka anatin’ny fanatanterahana ny Politikan’ny Fanjakana eo amin’ny sehatry ny fampiroboroboana ny fandraharahana madinika sy salantsalany ity Tetikasa MAHARO ity.

Publié dans Economie