Filtrer les éléments par date : mardi, 20 septembre 2022
mardi, 20 septembre 2022 21:03

No comment

Pilo kely : No comment

Bonne nuit aby e.
Patrick

 

Publié dans Pilo kely

Hiverina amin'ny laoniny manomboka androany talata 20 septambra 2022, ny fahafahana manondrana ny vatosoa sy vato sarobidy avy eto Madagasikara, taorian’ny fiatoana nandritra ny fotoana maharitra, araka ny nambaran'ny Minisitry ny Harena an-kibon'ny tany

sy ny Loharanonkarena Stratejika, RAKOTOMALALA Herindrainy Olivier, nandritra ny valan-dresaka ho an’ny mpanao gazety, niarahan’ny Ministera tompon'andraikitra sy ireo mpandraharaha amin’izany seha-pihariana izany, tao Ampandrianomby.

Nisy ireo fandaminana hahatomombana ny famerenana indray ny fahafahana manondrana vatosoa sy vato sarobidy nandritra ny fotoana nampiato izany, ary ankehitriny dia efa voatendry teo anivon’ny Filankevitry ny Minisitra ny tompon'andraikitra manana ny fahefana hanasonia ny antontan-taratasy ilaina amin’izany fanondranana izany.

Publié dans Economie

Mandray anjara amin’ny andiany faha-77 amin'ny fivoriamben’ny Firenena Mikambana any New-York, izay manomboka amin’ny fomba ofisialy androany, 20 septambra 2022, ny Filohan’ny Repoblikan’i Madagasikara.

Handray fitenenana rahampitso 21 septambra 2022 amin'ny 6 ora, ora eto Madagasikara, ny Filoha Andry Rajoelina.

Andrasana manokana ny lahateniny mahakasika ny fanarenana ara-tsosialy sy ara-toekarena taorian’ny Covid-19, sy ny fampiharana ny "Plan Emergence de Madagascar".

Anisan'ny mandrafitra ny delegasiona lasa any New York, ny Minisitry ny Serasera sy ny Kolontsaina, sady Mpitondra tenin’ny Governemanta, ary ny Talen’ny Kabinetran’ny Fiadidiana ny Repoblika.

(Jereo Sary Tohiny)

 

Publié dans Politique

Mifanindran-dalana amin’ny fivoriam-be faha-77n’ny Firenena Mikambana ity fihaonana an-tampony ho fanavaozana ny fanabezana atao ao New York ity .

Tanjona ny hanetsika ny hambom-po hananana fahavitrihana ara-politika, hirosoana amin’ny famahana olana ao anatin’ny fiaraha-mientana iraisam-pirenena ho fampiroboroboana ny fanabeazana.

Ireo tompon’andraiki-panabezana avy amin’ny firenen-tsamihafa maneran-tany, mivondrona ao amin’ny Firenena Mikambana no mandray anjara amin’ity fihaonana an-tampony ity.

Publié dans Sociale

Nitsidika ny Faritra Vatovavy sy Fitovinany iny ny minisitry ny Asa-tanana sy ny Hai-tao, Sophie Ratsiraka. Ankoatran'ny fijerena ny asa vitan'ireo mpanao asa tanana, dia nitondra fanazavana ny asa sy ny tanjona ataon'ny ministera ny tenany.

Noresahiny ombieny ombieny ny hiadin'ny ministera tantaniny ny hamerenana ho an'ny Malagasy ho tompon'ny "papier Antemoro". Ity asa-tanana sy fahaiza-manao tena Malagasy ity manko ankehitriny, dia misy milaza amin'ny sehatra iraisam-pirenena fa an'ny Nosy Rahavavy iray aty amin'ny Oseana Indiana.

Efa misy, hoy ramatoa minisitra, ireo antontan-taratasy sy antontan-kevitra voahangona entina hanaporofoana eo amin'ny sehatra iraisam-pirenena fa an'ny Malagasy tanteraka ny "papier Antemoro".

Publié dans Art et Culture

Notanterahina ny alatsinainy 19 septambra 2022 tetsy amin'ny FDL Anosy ny lanonana fanamarihana ny fanombohan'ny fandaharanasa PDCID II (Programme de Développement Communal Inclusif et de Décentralisation).

Kaominina miisa 74 ao anatin'ny Faritra Boeny sy DIANA no hahazo tombontsoa mivantana amin'izany.

Mitentina 17,3 tapitrisa Euros ny famatsiam-bola avy amin'ny Banky alemana KFW hanatanterahana ny PDCID II, ka ny 830 000 euros amin'io dia fandraisana anjaran'ny Fanjakana Malagasy.

Haharitra dimy taona ny hanatanterahana ny asa amin'ny alalan'ny "Fonds de Développement Local" (FDL).

Publié dans Politique