Filtrer les éléments par date : vendredi, 02 septembre 2022
vendredi, 02 septembre 2022 19:46

Ahiana hiaka-pidy ny Lafarinina

Mametraka fanahiana ireo mpanafatra PPN, indrindra fa ny lafarinina, satria araky ny fomba fanao eo anivon'ny fadin-tseranana, dia misy fihaonana eo amin'ireo mpanafatra entana sy ny ladoany, hamaritana ny vidiny ametrahana ny fitataovana hetra, na ny valeur concertée.

Mandritra izany fihaonana izany no hilazan'ny mpanafatra ny vidin'ny entana hafarany, ary eo koa ny ladoany no mamaritra ny teti-bidy farany ambany ekeny isaky ny vokatra sy entana hafarana, ka dia amin'izay teti-bidy voafaritra izay no hakana ny haba.

Mazava ho azy, fa tataovan'ny mpandraharaha mpanafatra entana amin'ny masokarena, izay mihatra amin'ny vidin'ny entana izany hetra sy haba izany.

Miahiahy arak'izany ireto mpanafatra lafarinina, fa te hampiakatra ny haba sy hetra tataovana amin'ny lafarinina indray ny fadin-tseranana izay mampiantso fihaonana eo amin'ireo mpanafatra entana sy ny fanjakana ny zoma 09 septambra 2022 ho avy izao.

Tafandria mandry.
Patrick

 

Publié dans Pilo kely

Nirava ady sahala 1 noho 1 i Madagasikara sy Botswana androany tolakandro nandritra ny lalao miverina fifanintsanana hahazoana tapakila hiatrehana ny dingana famaranana ny fiadiana ny Amboaran'i Afrika amin’ny ekipam-pirenena rafetin'ireo mpilalao toto tanana, hatao any Alzeria amin’ny 2023.

Ampy handehanan'ny Barea ho any Alzeria ny vokatra androany teo Mahamasina, satria efa nanana tombony isika tamin’ny fandresena azo tany Botswana.

Sambany i Madagasikara no hanao CHAN, raha toa ka efa nanao CAN tamin’ny 2019.

 

Publié dans Sport

Lehilahy 34 taona, Pasitera amina fiangonana zandriny iray eto Antananarivo Renivohitra no tonga hatrany amin'ny fanararaotana ara-nofo an' ireo olona mivavaka ao aminy.

Milaza azy ho profety ilay Pasitera ka manaraka sy manaiky azy ny mpino tarititiny.

Tovovavy miisa telo (13, 18, 19 taona) no tonga nanao fitarainana teny amin'ny Polisy. Natao ny fanadihadiana ka, voamarin'ny mpitsabo fa nisy ny fanolanana nahazo ireo tovovavy. Nosamborina avy hatrany ilay Pasitera.

Publié dans Vaovao