Filtrer les éléments par date : lundi, 19 septembre 2022
lundi, 19 septembre 2022 20:27

Tsy mba misy Rakitra ny azy

Pilo kely nindramina : Tsy mba misy Rakitra ny azy.

Tafandria mandry aby
Patrick

Publié dans Pilo kely

Nanomboka androany Alatsinainy 19 septambra 2022 eto Antananarivo ny fivoriana teknika momba ny fifanarahana ara-barotra sy ara-toekarena miaraka amin’ny Vondrona Eoropeana.

Tanjona ny fanatsarana ny fahaiza-manao sy famaliana ny filàn’ny tsena eoropeanina, ny fampiroboroboana ny fanondranana mankany Eoropa, ny fanamorana ireo dingana takiana eo amin’ny fanondranana sy ny fahazoana misitraka ny vokatra eoropeanina eo amin’ny tsena anatiny.

Firenena dimy ao anatin’ny AFOA (Afrika atsinanana sy atsimo), dia i Madagasikara, Comores, Zimbabwe, Seychelles ary Maurice no mandray anjara amin’ny fivoriana faha-9 miaraka amin’ny Vondrona Eoropeana nanomboka androany etsy amin’ny Carlton Anosy.

Publié dans Economie

Ary tapahan'ny lehiben'ny mpanampy azy ny tehina hilazana fa tsy Elisabeth II intsony no mampiasa azy.

Ampidinina ao amin'ny fametrahana ny vata mangatsiaka i Elisabeth II, alohan'ny anitrihina azy eo akaikin'ny vadiny, izay ny fianakaviana ihany no miatrika izay.

(Jereo sary Tohiny)

Publié dans Tselatra

Hilazana fa tapitra hatreo ny fanjakan'i Mpanjakavavy Elisabeth II, napetraka eo amin'ny Otely Masina ireo famantarana ny fanjakana ireo.

(Jereo sary Tohiny)

Publié dans Tselatra

Angletera : Mitohy ny vavaka amin'ny famakiana ny Tenin'Andriamanitra

(Jereo sary Tohiny)

Publié dans Tselatra

Angletera : Miditra ny Chapelle Saint Georges ny nofo mangatsiakan'i Mpanjakavavy Elisabeth II

(Jereo Sary Tohiny)

Publié dans Tselatra

Ho tanterahina any New York ny alatsinainy 19 septambra 2022 ny fihaonana an-tampony mikasika ny fanavaozana sy ny fampivoarana ny fanabeazana manerana izao tontolo izao.

Mifanindran-dalana amin'ny fivoriambe faha 77 ny Firenena Mikambana ity fihaonana an-tampony ity.

Hanatrika izany any an-toerana ny delegasiona Malagasy, izay tarihin'ny Filoham-pirenena Andry Nirina RAJOELINA, miaraka amin'ireo Minisitra telo misahana ny fanabeazana, ahitana ny Minisitry ny Fanabeazam-pirenena, ny Minisitry ny Fampianarana ambony sy ny Fikarohana ara-tsiansa, ary ny Minisitry ny Fampianarana Teknika sy ny fampiofanana arak'asa.

Publié dans Sociale

Anisan’ireo firenena maro tonga hanatrika ny fanomezam-boninahitra sy fandevenana ny Mpanjakavavy Elizabeth Faharoa ao amin’ny renivohitr’i Royaume-Uni i Madagasikara ankehitriny. Ny Minisitry ny Raharaham-bahiny Richard Randriamandrato no misolo tena ny Filohan’ny Repoblika Andry Rajoelina amin’izany.

Niondrika nanoloana ny razana, izay napetraka ao amin’ny Lapan’ny Westminster izy anio. Avy eo dia notsenain’i Ramatoa Vicky Ford, Ministra britanika misahana ny Fampandrosoana, teo an-tokonan’ny Lancaster House ny tenany, ka nanao sonia ny boky fahatsiarovana sy nametraka ny diampenina hoan’ny Mpanjaka Charles Fahatelo sy ny fianakaviany ary ny vahoaka britanika.

Tamin’izany no nilazany fa ny fahalasanan’ny Mpanjaka Elizabeth Faharoa dia fahabangana ho an’i Madagasikara ihany koa manoloana ny tantara hitambaran’ny firenena roa tonta, izay efa mihoatra ny 200 taona.

Publié dans Politique