Filtrer les éléments par date : dimanche, 18 septembre 2022

Voaporofo ary tsy honohono fa tena nisy ny fisian’ny solika nampitaraina ny maro sy niteraka resabe teny amin’ny tambazotran-tserasera.

Tra-tehaky ny Zandarimaria tao Tanandava Toamasina ny tambazotra mpanampoka solika, miaraka amin'ny fitaovana sy ny akora ampiasain'izy ireo.

Nifarimbona ary niasa mangina ny mpitandro filaminana sy ny OMH ary ny ministeran'ny angovo sy ny akoran'afo, ka nahatratrarana ambodiomby ireto mpanao hosoka ireto.

 

Publié dans Tselatra

Tonga nanome fanampiana ireo niharam-boina vokatry ny haintrano tao Ambilo Kaominina Betsiaka, Distrik'Ambilobe, ny Filoha lefitry ny Antenimierandoholona BESOA Erick.

Ireo zavatra ilaina maika, toy ny vilany, sotro, lasety, lamba fitafy, vary, sira ny fanampiana nentiny. Nanotrona azy ny depiote voafidy tao Ambilobe, ny Lehiben'ny Faritra, ny Lehiben'ny Distrika ...

Natao izao ho fanampiana ny samy mpiara-belona, hoy ny senatera BESOA Erick.

Publié dans Vaovao

Marin-toerana ny vidin’ireo entana ilaina amin’ny fiainana andavanandro (PPN) amin’ny ankapobeny.

Nidina mihitsy aza ny vidin’ny siramamy, menaka sy lafarinina, raha ny hita tetsy amin’ny tsenan’Analakely ny Zoma 16 Septambra 2022.

Nilatsaka teny an-toerana nanara-maso ny vidin’entana ny avy amin’ny Foibem-pitondrana misahana ny Fiarovana ny Mpanjifa, eto amin’ny Minisitera misahana ny Varotra sy ny Fanjifana (MICC), notarihin’ny Tale Haingo Andriamadison hiadiana amin’ny mety hisian’ny fanararaotana.

Niara-dalana taminy tamin’izany ny avy amin’ny Fikambanana mpiaro ny zon’ny mpanjifa MCI Lalaina Razafindralambo.

Publié dans Economie
dimanche, 18 septembre 2022 19:34

Misy ho sainina

Ny olona efa manidina, nefa isika na ny amboteazy aza tsy voavaha.

 

Publié dans Tselatra

Tontosa ny Alakamisy 15 septambra 2022 ny lanona ofisialy fianianan'ny filoham-pirenena Angoley, João Lourenço.

Nanatrika izany ny Praiministra, Lehiben'ny governemanta Malagasy, Ntsay Christian, izay nisolo tena ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina.

Natao ny 24 Aogositra lasa teo ny fifidianana filoham-pirenena tany an-toerana, ka lany hitondra an'i Angola mandritra ny dimy taona manaraka indray ny Filoha João Lourenço.

Natao teo amin'ny "Place de la République" tao Luanda renivohitr'i Angola ny lanonam-pianianana.

(Jereo Sary Tohiny)

 

Publié dans Politique

Efa nisy fanairana ny fitondrana natao teto tamin’ny oktobra 2021 momba ity EPP Madirotelo Kaominina Berivotra 5/5, Distrika Maevatanana, Faritra Betsiboka ity.

Nisy taorian’izany ny fampanantenana hanorenena efitrano fianarana miiisa telo ho an’ity EPP Madirotelo ity, izay tanàna miorina 3km monja miala ny lalam-pirenena faha-4.

Hatramin'izao anefa tsy mbola misy asa momba izany, raha tokony ho tamin'ny volana martsa 2022 no efa tokony nanomboka ny fananganana.

Publié dans Sociale

Ramatoakely GALO Jessica Tiana, 18 taona no sangany tamin'ny bakalorea teknika 2022 farany teo, manerana an'i Madagasikara.

Avy ao Mahajanga i Jessica, ary tao amin’ny Lycée Saint Gabriel Mahajanga no nianatra, nanaraka ny lalam-piofanana “Comptabilité et Gestion (CG)”.

Nahazo “mention très bien” izy, amin'ny salan'isa 17,93/20 tamin’ny fanadinana bakalorea.

Tanjony ny ho lasa “Expert comptable”, ary izay indrindra no antony nisafidianany ny fampianarana teknika, satria manan-danja be aminy ny fampianarana ny fototra rehetra ahafahany manatratra izay tanjona izay.

Anisany faniriany ny hanohy fianarana any ivelany, ary vonona tanteraka izy hanatratra izany tanjona izany, satria aminy “ny fianarana no lova tsara indrindra”.

 

 

Publié dans Tselatra

Tsy vitsy ny tranga toy izany tratra teo amin’ny Seranam-piaramanidina Iraisam-pirenena Ivato. Ny mpiasan’ny Fadintseranana tao no nahatratra an’io fikasana hanondrana vola vahiny an-tsokosoko io.

Vehivavy teratany Malagasy iray, tokony handray ny sidina AF 935 tamin’ny 15 septambra, ho any Paris, Frantsa, no tratra niaraka tamin’ny vola vahiny 136 000 euros, izany hoe 540 tapitrisa Ariary eo ho eo, teo amin’ny seranam-piaramanidina iraisam-pirenena Ivato.

Hita tany aminy io vola io, rehefa nosavain’ny mpiasan’ny Fadintseranana ny entany entin-tanana. Efa avy nampandalovina teo amin’ny scanner io entany io talohan’izay. Tsy maintsy mandalo scanner mantsy ny entana entin-tanana rehetra.

Tsy nananan’io vehivavy io ny taratasy fanambarana ny fisian’ireo vola ireo. Ilaina anefa izany araka ny lalàna manan-kery eto Madagasikara.

Publié dans Tselatra