Filtrer les éléments par date : mardi, 13 septembre 2022

Fomba fitenin'ny tanora ankehitriny rehefa ampidirina amin'ny pataloha tery tsy azy izy.

Rehefa jerena tokoa ireo antonta-taratasy rehetra eo ampelatanana, mahakasika ilay tany nampisy resabe amin'ny tambajotra serasera, voalazan'ny ramatoa monina any ampita, fa noterena hiala amin'ny tany ary nalain'i Goverinoran' Analamanga, Hery Rasoamarimaka, an-keriny tamin'ny taniny izy sy ny rahavaviny, dia voamarina fa nividy ampahan-tany 343m² amin'ilay tany antsoina hoe Villa VERO - Titre N°14260A i Rasoamaromaka Herilalaniaina mivady ny 11 desambra 2017, teo anatrehan'ny Vadintany Me Ralison Rakotoson Dautriche Zo Hasina, izay tany tamin'ny anaran'i Rasolofomanana Razafintsalama Jaona sy Josoa rahalahiny, efa maty.

Publié dans Editorial

Tapitra ny fotoam-piasan'ny Ambasadaoron'i Japon, Yoshihiro Higuchi izay miasa sy monina eto Madagasikara.


Noraisin’ny Praiminisitra, Lehiben’ny governemanta Ntsay Christian teto amin’ny Lapan’i Mahazoarivo ny tenany ny marainan'ny talata 13 septambra 2022. Roa taona sy tapany no fe-potoana niasany, ary nanao jery todika ny fiaraha-miasa nisy ny roa tonta nandritra ny fihaonana.

Tetikasa maro no tanteraka tao anatin’ny fotoana nanantaterahany ny iraka teto amitsika, na teo aza ny olana nateraky ny fisian’ny valanaretina Covid-19.

Publié dans Politique

Nisy, ny Alatsinainy 12 Septambra 2022 teny Ampandrianomby, ny fivoriana niarahan'ny Minisitry ny Jono sy ny Toekarena Manga, MAHATANTE Paubert sy ny Minisitry ny Tontolo Iainana sy ny fampandrosoana lovainjafy Rtoa VINA Marie Orlea, ny avy ao amin'ny Ministeran'ny fampianarana ambony sy ny fikarohana ara-tsiantifika, ary ireo mpiara-miombon'antoka rehetra nitadiavam-bahaolana manoloana ireo tranga faharendrehana zana-trozona nifanesy tato ho ato.

Eo ho eo amin'ny 12 000 ka hatramin'ny 15 000 trozona no mandalo eto Madagasikara, miisa 12 kosa hatreto ireo zana- trozona rendrika teto amintsika.

Publié dans Sociale

Hisitraka fampindramam-bola manodidina ny 14,52 tapitrisa Euros i Madagasikara hanohanana azy amin’ny fampiroboroboana ny indostria. Nivoitra izany ny alatsinainy 12 septambra 2022, tetsy amin’ny Carlton Anosy, nandritra ny fampahafantarana ny Tetikasa PAISF, vatsian’ny Banky afrikana momba ny fampandrosoana (BAD) vola.

Nambaran’ny minisitra Edgard Razafindravahy fa fanamby lehibe ho an’i Madagasikara ny fampiroboroboana ny indostria.

Raha miantoka hatramin’ny 15%-n’ny PIB ny indostria ankehitriny dia tanjona ny hiakaran’izany hatramin’ny 25% hatramin’ny 2028. Midika famoronana harena 1,5 miliara Dolara amerikana izany.

Publié dans Economie