Filtrer les éléments par date : dimanche, 11 septembre 2022
dimanche, 11 septembre 2022 22:36

Sarotra be ve ny misaotra ny teo aloha

Tsy misy asam-panjakana vita irery, ny mpitondra mifandimby, lovain'ny aty aoriana ny nety sy ny tsy nety nataon'ny teo aloha.

Raha nisy vitan'ny teo aloha, na dia ny plan fotsiny aza, ny étude izay aman-taonany no anaovana izany, raha lalana no resahina, ny fikarohana vola sy izay mety findramam-bola, satria taona maro ihany koa no ahavitana izany, dia omena voninahitra sy fisaorana izay nahavita, ahitsy kosa izay tsy mety, azo ampiana na ovaina arak'izay tiana ihany koa.

Tsy mety kosa ny mifanaratsy sy manambany olona, indrindra ireo filoham-pirenena teo aloha.
Tsy maintsy hifarana ihany koa ny fitondrana, na ho aingana na ho ela, misy ny tsara, tohizan'ny aoriana indray, ary misy ny tsy mety arenin'ny manaraka, dia miroso hatrany ny firenena.

Tsy fifaninana iza no nahavita betsaka akory ny raharaham-pirenena, fa andraikitra ankinin'ny vahoaka, izay anadinana aoriana, fa naninona no ireto ihany no vita, nankaiza ny vola rehetra.

Tafandria mandry.
Patrick

 

Publié dans Pilo kely

Raha niainga tany amin'ny trano fanaovany vakansy Balmoral, Ecosse, Royaume-Uni, ny tolakandro teo ny nofo mangatsiakan'i Mpanjakavavy Elisabeth II, dia tonga ao Edimbourg izy ankehitriny, raha nanome voninahitra sy nanao veloma farany azy ireo vahoaka sesehena tamin'ny toerana rehetra nandalovany, ka nahafahan'ny olona nanao izany.

Ao amin'ny salle du trône ao amin'ny Lapa Holyrood no misy azy ankehitriny, alohan'ny anaovam-beloma farany azy, sy anatontosana fotoam-pivavahana ny alatsinainy 12 septambra 2022.

 

Publié dans Tselatra

Andro ratsy ho an’ny mponina Ambilo, Kaominina Betsiaka, Distrik'Ambilobe ny zoma 9 septambra 2022. Nirehitra ny tanàna. Trano eninjato tafo mahery no may kila hotohoton'ny afo. Tsy nisy azo noraisina ny ankamaroan'ny fananan'ny olona. Ireto farany izay saika lasa namonjy lanonam-pitokanana ny lalam-pirenena faha-5A avokoa.

4500 ny traboina vokatr’izany. Tsy nisy ny maratra, tsy nisy aina nafoy.
Misy amin'ireo traboina no mpandraharaha ara-barotra, ao ny mpitrandraka volamena tsotra.

Mbola tsy tena mazava hatreto ny antony nihavian'ny afo, fa voalazan'ny fokonolona fotsiny ihany ny hoe, vodin'akondro manakaiky trano tsy misy olona no niandohan'ny afo.

Nisy delegasiona notarihin'ny filoha lefitry ny Antenimieram-pirenena sy ny Goverinoran'ny Faritra DIANA tonga nijery ny zava-misy tao an-toerana androany.

(Jereo Sary Tohiny)

Publié dans Tselatra

Nivoaka mpandresy tamin’ny isa 19 noho 12 nanoloana an'i Colombie i Madagasikara, nandritra ny lalao faha efatra, sady farany natrehantsika. Fandresena izay mametraka an'i Madagasikara eo amin’ny laharana faha 15, amin'ireo ekipam-pirenena miisa 16 niady ny tompondaka erantany amin’ny taranja rugby, lalaovin'olona fito, sokajy vehivavy, tanterahina atsy Afrika Atsimo.

Efa nitarika 12 noho 0 i Madagasikara tamin’ny ampaham-potoana voalohany. Sahala 12 noho 12 ny isa 6 segaondra nialoha ny niafaran'ny lalao no nahatonga baolina entin-tanana, sady voatsindry ny Maki, ary voatsara ka nitondra tamin’ny fandresena.

Sambany i Madagasikara no tonga tamin’ny dingana famaranana ny fiadiana ny tompondaka manerantany amin'ity taranja ity, eo amin’ny sokajy zazavavy. Tsy nitsanga-menatra isika. Betsaka ny lesona azo tsoahina hanatsarana ny hoavy.

Publié dans Sport

Tovolahy iray, 20 taona, mpianatra ao amin’ny CURSA Antalaha no namoy ny ainy,' nianjera avy eny ambony kamiao, raha nikasa handeha hiatrika ny fitokanana lalam-pirenena RN5A Ambilobe Vohémar.

Isan'ireo andian'olona notaomina tamin’ny kamiao, tsy natao hitondra mpandeha ity tovolahy ity. Teny amin'ny RN5A, PK 246 tao Tsivolagnana, Kaominina Tsarabaria, Distrikan'i Vohémar no niseho ny loza ny 8 septambra 2022, tokony ho tamin'ny 6ora sy sasany hariva.

Nentina novonjena haingana tany amin'ny Hôpital CHD Vohémar, saingy tsy tana ny ainy.

(Jereo Sary Tohiny)

Publié dans Tselatra

21 taona lasa izay no nitrangana asa fampihorohoroana tany Manhattan-New York, sy Arlington-Virginie ary Shanksville-Pennsylvanie, nisian'ny fiaramanidina niniana nadona tamin'ny trano tany an-toerana, tao anatin'ny 2ora monja, ka nahafatesana olona miisa 2977.

Fiaramanidina 4, mpitondra mpandeha, no nalain'ny mpampihorohoro Al-Qaïda 19, ka ny fiaramanidina roa no nadona tamin'ny trano kambana 2, manana haavo mirefy 415m, World Trade Center (WTC) ao Manhattan (New York) izay nirehitra sy nirodana tao anatin'ny 2ora, ny fiaramanidina fahatelo nadona tao Pentagone, foiben-toerana fiarovana amerikanina ao Washington. Ny faha efatra kosa, hiazo ny Renivohitra federaly, no nitrosona tao Shanksville-Pennsylvanie.

Nanomboka teo no niova ny fijerin'izao tontolo izao ny zotra ara-piaramanidina, ka nipetrahan'ireo fepetra marobe, na ny fivezivezen'ny entana na ny mpandeha, ka tsy maintsy nanamafisana ireo fisavana rehetra.

 

Publié dans Tselatra

Niamboho tany amin'ny trano fanaovany vakansy, tamin'ny alakamisy 08 septambra 2022, tao amin'ny Lapa any Balmoral, Ecosse, Royaume-Uni, ny Mpanjakavavin'i Angletera.

Efa manainga, ary ho entina hiazo an'i Edimbourg, ny vatana mangatsiakany, ahafahan'ireo Britanika hanome voninahitra sy hanao veloma farany azy.

Mandritra izany anefa, mba tsy hisian'ny fahabangana eo amin'ny fiandrianana, dia efa nanao fianianana sy toky fanompoana ny sabotsy 10 septambra 2022 ny Printsy Charles III, ka namonjy ny fonenan'ny mpanjaka ao Buckingham Palace, izay nahavory vahoaka marobe hitsenana izany Mpanjaka vaovao izany.

Androany alahady 11 septambra 2022 izy izany dia napetraka eo amin'ny fiandrianana ho mpanjakan'i Australie sy Nouvelle-Zélande ihany koa.

 

Publié dans Tselatra