Filtrer les éléments par date : samedi, 10 septembre 2022

Ny printsy Charles Philipp Arthur George, zanaka lahin'i Mpanjakavavy Elisabeth II no napetraka eo amin'ny fiandrianany, rehefa niamboho ny Mpanjakavavy ny alakamisy 08 septambra 2022.

Publié dans A la Une

Velaran-tany amana hekitara maro, izay mamokatra lavanila, kafe, vary, ary azahoana vokatra aman-taonina maro isan-taona no voalaza ho nisy naka an-keriny, ka nandroaka ireo vahoaka tamin'ny alalany herisetra : tora-bato, tifitra basy, daroka narahany fandoroana trano, miampy fandorana toerana fanompoana sy fiantsoana razana any an-toerana no nitranga ny volana aogositra 2022 iny ao Andranomadio, Kaominina Ambihimisodrotra, Distrikan'i Bealanana.

Ahiana hiteraka ady saritaka ity tranga ity noho ny fibodoana vokatra lavanila ataon'ireo milaza ho tompon'ny tany ka manana taratasy ara-dalana, taratasy izay tondroin'ny vahoaka ho azo tamin’ny kolikoly.

Lavanila tombanana ho 20 taonina‚ nambolen'ireto tantsaha no bodoin'olona amin'io toerana io nefa miha manakaiky ny tsenan-davanila.

(Jereo sary Tohiny)

Publié dans Vaovao

Hatolotra amin’ny fomba ofisialy amin’ny 28, 29 sy 30 Oktobra 2022 izao ny « Plan de l’Emergence de Madagascar », izay hatao eny amin’ny CCI Ivato, araka ny nambaran’ny mpitondra tenin’ny filoham-pirenena, Ranoromaro Lova Hasinirina nanoloana ny mpanao gazety ny alakamisy 08 septambra 2022 tolakandro.

Ho voaasa amin’io, ny sehara rehetra, na miankina na tsy miankina amin’ny fanjakana, ireo mpiara-miombon’antoka sy ireo mpamatsy vola.

Ho tanterahina amin’izany fotoana izany ihany koa ny « Forum de la diaspora ».

 

Publié dans Tselatra

Raha notombanana fa hiakatra be ny vidin’entana noho ny fisian’ny ady any Iokraina, dia azo lazaina fa marin-toerana izany ankehitriny. Tsy afa-miala amin’ny zava-misy eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena mantsy i Madagasikara satria ny 80%-n’ireo entana ilaina amin’ny fiainana andavanandro dia mbola afarantsika any ivelany.

“Nisy hatrany ny ezaka teo amin’ny fanaraha-maso sy fandanjalanjana ny vidin’entana ho ara-drariny”, hoy ny Minisitra Edgard Razafindravahy raha nitafa tamin’ny mpanao gazety tetsy amin’ny trano fiasany etsy Ambohidahy.

Niainga tamin’ny famerana ny vidin’entana farany ambony sy ny tombom-barotra azo alaina izany, nisorohana ny fiakaram-bidy mihoampampana. Fepetra izay nifanaovana teny ierana tamin’ny mpanafatra, ny mpamongady, ny mpaninjara niaraka tamin’ny fikambanana miaro ny zon’ny mpanjifa.

Publié dans Economie

Misesy ny fahitana trozona fefika eny amin'ny toraparik'i Madagasikara, ary saika eny amin'ny toeram-pitsangatsanganana no ahitana azy.

Raha ny zoma 9 septambra 2022 fotsiny izao dia nahitana fatina trozona tao Grand Pavois Mahajanga. Nahitana koa teny amin’ny torapasik'i Ramena ao Antsiranana II.

Hatreto tsy mbola misy fanazavana mazava ny mety ho antony mahatonga ny fahafatesan'itony trozona itony, fa tombatombana no betsaka.

(Jereo Sary Tohiny)

Publié dans Tselatra

Niverina ireo mpilatsaka an-tsitrapo avy amin’ny Peace Corps roa taona aty aorian’ny valanaretina Covid-19. Tonga eto Madagasikara ny 30 aogositra 2022 teo ny mpilatsaka an-tsitrapo 22, ao amin’ny Peace Corps, izay handray ny asany mandritra ny roa taona.

Ny vondrona mpilatsaka an-tsitrapo iray dia hanohana ny Malagasy amin’ny alalan’ny fampianarana teny anglisy. Ny vondrona iray hafa dia hampiroborobo ny fambolena legioma, mifandraika amin’ny toetr’andro, hiadiana amin’ny tsy fanjarian-tsakafo.

Hiatrika fiofanana momba ny teny sy ny kolon-tsaina mandritra ny roa ambin’ny folo herinandro ireto mpilatsaka an-tsitrapo ireto, mialohan’ny hiparitahany manerana an’i Madagasikara hanomboka ny asany.

Ireo mpilatsaka an-tsitrapo ireo dia manamafy isa ireo roa hafa izay nanao fianianana teo anatrehan’ny Ambasadaoro Amerikana Claire A. Pierangelo sy ny Talen'ny Peace Corps Brett Coleman tamin'ny volana lasa teo.

Publié dans Politique

Mitarika delegasiona mitokana zava-bita amin'iny Faritra SAVA sy DIANA iny ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina. Eo ny lalam-pirenena faha-5A mampitohy an'i Vohémar amin'Ambilobe, lapan'ny Fitsarana, Sekoly manarapenitra ary koa jiro mandeha amin’ny herin’ny masoandro.

Nialoha izao fitokanana izao anefa dia nisy fanangonam-bola mifono teritery ho enti-manana ny fandraisana ireo manampahefana. Tany Ambilobe ohatra dia nisy teny midina nohamafisina tamin’ny soratra maro sosona (SMS), tonga tany amin'ireo mpampianatra na mpiasam-panjakana na FRAM toy izao :

"Bjr!Ampatsiahivina isika Mpampianatra rehetra fa ho avy ao Ambilobe ny Président de la République miaraka @ ireo Ministres maromaro @ 09 sy 10/09/2022 ho avy io hitokana ny ESM (na Etablissement Scolaire Manarapenitra) ao Matsaborilaidama,ny Tribunal sy ny Lalana RN5 ary ny Hopital any SIRAMA.Samy mandray sy mikarakara ary manotrona ny Lehibeny ny Service tsirairay araka ny message nalefan'i Chef CISCO izay nampitaiko (nataoko transfert) any @ ireo Chefs d'Etablissements,ka manao cotisation 1000Ar ny mpampianatra rehetra handraisana sy hikarakarantsika ny Minisitrantsika izay Lehibentsika ary talata farany".

Publié dans Politique

Mankalaza ny faha-30 taonany ny Ivontoeram-pikarohana Niokleary INSTN, na « Institut National des Sciences Technologiques et Nucléaires », manana ny foiben-toerany eny Ankatso Oniversiten’Antananarivo.

Nosokafana tamin’ny fomba Ofisialy ny Alakamisy 08 septambra 2022 ny fankalazana.

Nisolo tena ny Minisitra, Pr ASSOUMACOU Elia Béatrice, tamin'io fotoana io ny Sekretera Jeneralin’ny Ministeran’ny Fampianarana Ambony sy Fikarohana Ara-Tsiansa, sady Filohan’ny Filan-kevi-pitantanan’ny INSTN rahateo, Pr SALAVA Julien.

Publié dans Sociale
samedi, 10 septembre 2022 13:15

Grand Pavois Mahajanga : Nahitana trozona maty

Misesy ny fahitana trozona maty teny amin’ny morontsirak'i Madagasikara tamin'ity taona ity.

Nahitana izany na atsinanana na atsimo ary vao ny marainan'y zoma 9 septambra 2022, teo amin’ny torapasiky Grand Pavois, iray amin'ireo toeram-pitsangatsanganana mahasarika olona aty Mahajanga.

Mampametra-panontaniana ny antony : fahalotoana ranomasina sa zavatra hafa ?

(Jereo sary Tohiny)

Publié dans Tselatra

Notokanana ny zoma 9 septambra 2022 ny CEG Communautaire Betainomby ao amin'ny Kaominina Tamatave Suburbaine.

Trano lehibe iray mafy orina, misy efitrano fianarana miisa efatra izy ity. Efa vonona handray mpianatra manomboka ny alatsinainy izao, ho an'ny taom-pianarana 2022-2023 ny sekoly.

Nomen'ny fitondram-panjakana mpampianatra mpiasam-panjakana 5 ity sekoly ity.

Ho fampitaovana dia nomen'ny Goverinoran'ny Faritra Atsinanana RAFIDISON Richard Théodore dabilio miisa 50 ity CEG ity, ary nomena fitaovam-pianarana ireo mpianatra mendrika tamin'ny fahafahana fanadinam-panjakana CEPE sy BEPC ho an'ny Kaominina Tamatave suburbaine.

Publié dans Vaovao
Page 1 sur 2