Filtrer les éléments par date : jeudi, 01 septembre 2022
jeudi, 01 septembre 2022 20:46

Change 01 septembre 2022

Europe : 1 Euro = 4 094.25 Ariary

Etats-Unis : 1 $USD = 4 104.56 ariary

Brésil : 1 Réal = 786,51 Ariary
Russie : 1 Rouble = 68,46 Ariary
Inde : 1 Roupie indienne = 51,77 Ariary
Chine : 1 Renminbi = 597,22 Ariary
South Africa (Afrique du Sud) = 1 Rand = 238,61 Ariary

 

Publié dans Fil info

Nisalotra akanjo mainty androany Alakamisy 1 septambra ireo mpianatry ny Oniversiten'i Fianarantsoa ao anatin'ny Grand Sud-Est Fédéral izay ahitana an'i Vatovavy- Fitovinagny-Atsimo Antsignana, ho fisaonana sy fanehoana fiaraha-miory amin'ireo mpiray tanindrazana any Ikongo, tamin'ny nahafatesana ain'olona maro.

Manameloka ny famonoana na fanalana ain'olona amin'ny endriny rehetra izahay, hoy ireo mpianatra tamin’ny fanambarana nataon'izy ireo.

Mangataka amin'ny fanjakana ny hanaovana fanadihadiana lalina amin'ity raharaha ity : ny amin'ny niandohany sy ny antony nampisy izao zava-mampalahelo izao.

Tany tan-dalàna i Madagasikara ka aoka hihatra amin'ny rehetra ny lalàna, hoy hatrany ireto mpianatra ireto.

 

Publié dans Tselatra

Nanolotra simenitra 100 lasaka sy vy 180 isa ho an'ny Fikambanana Zanak'i Maroantsetra eto Toamasina, na ny FIZAMA, ny Filoha lefitry ny Antenimierandoholona misahana ny tapany Avaratra BESOA Erick. Izany dia ho fanampiana ny FIZAMA amin'ny fananganana ny tranoben'i Maroantsetra.

Fanampiana andiany voalohany ihany ireto natolotra androany Alakamisy 01 Septambra 2022 teto Toamasina ireto, hoy ny senatera, fa mbola hoavy ny andiany manaraka.

Nanolotra simenitra ihany koa ny Solombavambahoaka Dinah Romuald, ary lelavola no natolotr'Atoa Samuel, Ben'ny tananan'i Mananara Avatra.

Miantso ny firaisankinan'ny rehetra hatrany i senatera BESOA Erick hifanome tanana amin'ny famitana ity trano ity.

(Jereo Sary Tohiny)

Publié dans Sociale
jeudi, 01 septembre 2022 13:53

RN5A : Hotokanana afaka herinandro

Raha tsy misy fiovana dia hotokanana ny 9 sy 10 septambra 2022 ny lalam-pirenena 5A, mampifandray an'i Vohémar (SAVA) sy Ambilobe (DIANA).

Lalana nasiam-panavaozana izy ity, efa natomboka tamin’ny fitondrana Hery Rajaonarimampianina, nampalaza ny teny hoe : " Bye bye Gôdra", dia izy nofaranan'ny fitondrana Andry Rajoelina izao, mariky ny fitohizan-draharaham-panjakana.

(Jereo Sary Tohiny)

Publié dans Tselatra

Nanao fanambarana ny FFKM manamafy ny tokony hifanantonan'ny mpitondra fanjakana sy ny hery velona rehetra eto amin’ny firenena hiara-hijery vahaolana manoloana ireo olana misy eto amin’ny firenena.

Nosinganiny manokana ny zava-mitranga any Ikongo, izay tokony hanajana hatrany ny aina, ary manentana ny Fiagonana hanao tolo-tanana ho an'ireo niaram-boina.

 

Publié dans Politique

Notanterahina alarobia ny 31 aogositra, teo amin'ny tany malalaky ny Petit Séminaire Mandaniresaka Antsirabe, ny lamesa fanokafana ny Andro manerantany ho an'ny tanora, na JMJ X 2022.

Tanora mpivahiny manodidina ny 30 000 avy amin'ireo Diosezy katolika eto Madagasikara no tonga miatrika izany.
Nitarika ny fotoana ny Evekan'Antsirabe Mgr Ranaivomanana Phillipe. Nisy iray minitra fahanginana ho fiaraha-miory noho ny tranga tao Ikongo.

Nandritra ity fotoana ity ihany koa no nankasitrahana ny asa sy nanaovana veloma an'i Mgr Paolo Rocco Gualtieri, Nonce apostolique, izay handao tsy ho ela an'i Madagasikara rehefa niasa teto Madagasikara nandritra ny fito taona.

Publié dans Art et Culture