Filtrer les éléments par date : lundi, 08 août 2022

Tontosa ny alahady 07 aogositra 2022 teo amin’ny Village touristique Mahajanga ny lalao miverina amin’ny fifanintsanana CAN Beach Soccer, nihaonan'i Madagasikara sy Seychelles.

Nivoaka mpandresy tamin’ny isa 6 noho 2 ny Malagasy ; fandresena fanindroany azontsika, ary tafiakatra handray anjara amin'ny CAN Beach Soccer, izay hatao any Mozambika ny 21 hatramin'ny 29 oktobra 2022 ny ekipam-pirenena Barea Beach Soccer.

(Jereo Sary Tohiny)

Publié dans Sport

Nibata fandresena tamin'ny isa 55 - 49 ny Ankoay Madagasikara nanoloana ny ekipam-pirenena Alzeria, sokajy zazalahy, nandritra ny lalao nataony ny alahady 07 Aogositra 2022, tao amin'ny Palais des Sports Mahamasina.

Fandresena faharoa tamin’ny lalao roa nataon'ny Ankoay ao anatin’ny fifanitsanana AFROBASKET U18.

(Jereo Sary Tohiny)

Publié dans Sport