Filtrer les éléments par date : dimanche, 07 août 2022

Vita hatreo ny kiafinafina. Voasambotry ny Zandary avy ao Foulpointe ilay gadra nitsoaka ny fonjaben’Ambalatavoangy Toamasina atao hoe Rajoelison Jean cris antsoina hoe : Mainty.

Tao Ankôba Kaominina Andodabe, Distrika Toamasina II, izy no voasambotra ny sabotsy 06 aogositra 2022 tamin'ny 05 Ora maraina.

I Mainty dia voasazy miasa an-terivozona mandritry ny 5 taona noho ny heloka be vava vitany.

Publié dans Vaovao

Tonga nitsidika ary nidina tany Betafo ireo mpandraharaha avy any Singapour miara-miasa amin’ny fikambanan’ny tantsaha Firaisankina, tarihin-dRandriatahinamalala Livasoa, Ben’ny Tanàna Betafo, Faritra Vakinankaratra, amin’ny fampiroboroboana ny tontolo ambanivohitra, amin’ny lalam-piharina soja.

Ny fampitomboana ny vokatra sy ny hampiakarana ny kalitaon’ny soja no niompanan’ny resaka, nandritra ny fihaonan’izy ireo tamin’ny Ben’ny tanàna, tao amin’ny biraon’ny Kaominina Betafo, ary tonga hatramin’ny hametrahana orinasa mpanao menaka soja sy mpanao lafarinina soja eto Madagasikara.

Publié dans Economie

Mihavitsy ny mpizahatany tonga any Foulpointe noho ny haratsian'ny lalam-pirenena faha-5.

Saika hanao hetsika ireo mpandraharaha ara-pizahantany ao an-toerana ho fanairana ny fitondram-panjakana hamahana ny olana, saingy tsy tanteraka izany noho ny fandrahonana azon'izy ireo.

Publié dans Tselatra

Tapaka nanomboka ny sabotsy 6 aogositra tamin’ny 10 ora alina ny jiro tao an-drenivohitry ny Faritra Vakinankaratra sy ny manodidina. Nitarika fahatapahan’ny rano koa izany.

Mitaraina ireo manao asa velontena mampiasa herinaratra. Simba ny sakafo nilaina herinaratra, sahirana ny teny amin’ny fiangonana samihafa ny maraina io…

Publié dans Tselatra
dimanche, 07 août 2022 10:08

Andohatapenaka : Fiara kely may kila

May kila hotohoton'ny afo ny fiara Golf iray ny asabotsy atoandro 06 aogositra 2022. Teo akaiky ny toby mpaninjara solika Total no nitranga ny loza.

 

Publié dans Tselatra