Filtrer les éléments par date : lundi, 29 août 2022

Tetikasan'ny Amerikanina amin'ny alalan'ny Nasa ny andefa Sambondanitra tsy misy mpanamory, fa sary olona fotsiny, manequin no tokony hanainga androany alatsinainy 29 aogositra 2022, fa noho ny antony ara-tekinika dia nahemotra ny fiaingana.

Ny hiverina andefa olona eny amin'ny volana moa ny tanjon'ity tetikasa ity, fa manao andrana ahitana ny fahazakan'ny sambondanitra sy ny mety hiarovana ireo mpanamory moa no tanjona amin'izao, satria ny tanjona dia 400 000km no alavirana haleha, raha 400km fotsiny no efa mahazatra hiazoana ny ISS, zana-bolana misy olona mipetraka mifandimby ankehitriny.

Mety ahemotra ny zoma 02 septambra, na ny alatsinainy 05 septambra 2022 izany fiaingana vaovao izany, raha toa ka vonona ny fanoloana ireo kojakoja ireo.

 

Publié dans Vaovao

Voasambotra teny an-tranony teny Itaosy ny alahady 28 aogositra 2022 ny iray tamin'ireo namoahan'ny Zandary filazana fikarohana.

Isan'ireo voarohirohy amin’ny fikasana hanondrana an-tsokosoko volamena milanja 17,3 kg izy.
Nafenina tao anaty fasiana krika fiara ny volamena no tratra, nandritra ny fisavana nataon'ny zandary teo ampidirana ny seranam-piaramanidina Ivato ny herinandro lasa teo.

Raha ny angom-baovao dia efa fanintelony izao ity olona voasambotra teny Itaosy ity no namoaka volamena an-tsokosoko, fa izao izy vao tratra.

Misy Malagasy roa mpiray tsikombakomba aminy karohina amin’izao fotoana izao.

 

Publié dans Tselatra

Halatra zaza varira tao amin'ny tanàna atao hoe Ambatolampy no niandohany. Maty novonoin'ireo olon-dratsy ny renin'ilay zaza, raha niaro azy tsy halain'ireo dahalo.

Publié dans A la Une

Nambaran’ny Ambasadaoro amerikana Claire A. Pierangelo nandritra ny lahateny an-gazety natao tao amin’ny masoivohon’i Etazonia androany fa hanome 20 tapitrisa dolara fanampiny ny Governementan’i Etazonia, amin’ny anaran’ny vahoaka amerikana, mba hanatsarana ny fanjariantsakafo any amin’ny faritra atsimo sy andrefan’i Madagasikara.

Ny Sampandraharaha Amerikana misahana ny Fampandrosoana Iraisam-pirenena, na USAID, no hampiasa ireo vola ireo amin'ny tetikasa vaovao sy efa an-dalam-panatanterahana.

Hamafisina noho izany ny fahaizan’ny vondrom-piarahamonina tena marefo indrindra eto Madagasikara miatrika fotoan-tsarotra, amin'ny alàlan'ny fanampiana eo amin’ny lafin’ny fahasalamana, sakafo, fambolena, fivelomana ary fitantanana ny loza sy ny tandindon-doza.

Publié dans Politique
lundi, 29 août 2022 18:27

Betioky atsimo : Sekoly CEG sy Lycée

Distrika BETIOKY-ATSIMO

CISCO BETIOKY-ATSIMO
Kaominina ambonivohitra Betioky

(Jereo Sary Tohiny)

Publié dans Tselatra

Maro ny teny malagasy sy ohabolana manambara ny fifankatiavan'olon-droa na maromaro :

- Ataovy toy ny lamban'akoho ny fanambadiana, ka faty no isarahana ;
- Toy ny vary sy ny rano, ka an-tsaha tsy mifanary, an-tanàna tsy mifandao.

Etsy ankilany anefa, raha ny ady tany no mitana ny laharana voalohany eny amin'ny Fitsarana ady madio, dia manaraka azy aoriana ny ady mivady sy fangatahana divorsa.

Eo amin'ny fiainam-pirenena izany, dia mitsiry io fitiavan'ny vahoaka an'ireo mpanao politika, ka miafara amin'ny mariazy, endriky ny fifidianana, ho an'ireo olom-boafidy, indrindra fa ny Filoham-pirenena.

Publié dans Editorial