Filtrer les éléments par date : dimanche, 28 août 2022
dimanche, 28 août 2022 20:14

Gasy tia tantara angano

Kolotsaina malagasy mihitsy ny angano, ary hita izany amin'ireny fanarahana tantara mitohy amin'ny radio ireny.

Misy ny tsy misakafo mihitsy miandry ny tantara amin'ny 1ora5min, mbola manaraka ilay amin'ny 9ora alina indray ny hariva.

Tsy andry mihitsy koa ny ampitso hiainoana ny tohiny, misento kely rehefa vita sy tapaka ny tantara ka mandeha ny hoe hitohy rahampitso. Raikitra ny adi-hevitra eo amin'ny samy mpiara-mihaino izay mety ho tohin'ny tantara.

Dia gaga ve raha hitantaran'ny mpitondra tantara sy angano, dia vao maika miandry izay tohiny, nefa fantatra tsara fa tantara noforonina sy angano tsy marina, mba tsy hilazana fa lainga nalahatra no lalaovina.

Tafandria mandry e.
Patrcik

 

Publié dans Pilo kely

Hatao atsy Afrika Atsimo ny 09 hatramin'ny 11 septambra ho avy izao ny fiadiana ny amboara maneran-tany amin'ny taranja baolina lavalava, lalaovin'olona fito, sokajy vehivavy.

Miisa 16 ireo ekipam-pirenena hifaninana mandritra izany, anisany ny Makis.

(Jereo Sary Tohiny)

 

Publié dans Sport

Notanterahina tany Tanzania ny 22 ka hatramin'ny 26 Aogositra 2022 ny "13ème Conférence Régionale Afrique de l'AMGE".

Nanana solontena nandray anjara tamin'izany ny Skoto Zazavavy Malagasy.

Nandritra io fihaonambe io ny fifidianana ireo mpikambana hitantana sy hitondra Skoto Zazavavy ato amin’ny Faritra Afrika mandritra ny telo taona ho avy, ka voafidy ho filoha i Rakotoarivony Faniry (Anjavidy Matselaka - Mpanazava Eto Madagasikara).

Ny Skoto zazavavy eto Madagascar dia itambaran'ny Mpanazava sy Fanilo ary Kiady. Efa nisy ny fifidianana sy fandaminana teto an-toerana ka nisafidy ireo delegasiona hiatrika ny 13ème Conférence Régionale Afrique de l'AMGE tao Tanzania ka nazahoana vokatra izao.

(Jereo Sary Tohiny)

Publié dans Art et Culture

Hita sy avotra soa aman-tsara ny sabotsy 27 aogositra 2022, tany Ikianja Ambohimangakely Antananarivo Avaradrano i Lalaina, zazavavy kely 12 taona, izay nisy naka ankeriny tany Ambohitraivo Ambohidanerana, disitrika Soavinandriana Itasy ny 09 aogositra 2022.

Fantatra fa lehilahy mpanampy tao antranon-dRay amand-Reniny ihany no naka ity zazavavy ity, ary nitaky vola 50 tapitrisa Ariary ,tamin'ny alalan'ny antso afaka telo andro.

Notsirihina tamin'ny tambazotram-pifandraisana sy tsongodia ara-toerana ilay laharana niavian'ny antso, ary sarona tamin'izany tovolahy iray hafa mpifandray amin'ilay mpanampy matetika.

Publié dans Vaovao

Fahavoazana goavana ho an’ny Tànanan’ Antananarivo ny fahamaizana nitranga teo Ambohijatovo ny alin'ny sabotsy 27 aogositra 2022.

49 ireo trano fivarotana may, araka ny fidinana natao teny an-toerana, tao aorinan’ny loza, hoy ny avy eo anivon’ny Kaominina Antananarivo Renivohitra.

73 tamin'ireo trano fihariana 360 no voakasiky ny afo, hoy ny tati-baovao avy eo anivon’ny Polisim-pirenena.

Nifarimbona tamin’ny famonoana ny afo ireo tompon'ny tsena sy ny mpamonjy voina (Tsaralalana, Andravoahangy, Anosivavaka) an’ny Kaominina Antananarivo renivohitra, hamonjena ny toerana.

Publié dans Vaovao

Nihazo an'i Nosy Be androany ny Ekipam-pirenena malagasy baskety, na ANKOAY U18 Zazalahy sy U18 Zazavavy.

Hiala sasatra any an-toerana izy ireo manomboka androany Alahady 28 Aogositra 2022 araka fampanantenan'ny Filoham-pirenena Andry RAJOELINA, azy ireo nandritra ny fihaonana teo amin'ny Filoha sy ny ANKOAY ny Alarobia 24 Aogositra 2022, tao amin'ny Lapam-panjakana Iavoloha ka nangatahan'ny ANKOAY ity fialan-tsasatra ity tamin'ny Filoham-pirenena, fa nahatsiaro tena ho reraka tanteraka nandritra ireo Lalao maro natao tamin'ny AFROBASKET U18 natao teto Madagasikara farany teto.

Publié dans Sport

Lavon'i Madagasikara tao an-taniny ny ekipam-pirenen'i Botswana, rafetin'ireo mpilalao ao an-toerana, nandritra ny lalao fifanitsanana handraisana anjara amin’ny CHAN.

Tamin’ny isa tokana 1 noho 0 no nibatan'ny Barea CHAN ny fandresena, baolina tafiditr'i Drogba tamin’ny fizaram-potoana voalohany.

Hotanterahina eo amin’ny Kianja Barea ny lalao miverina eo amin’ny ekipa roa tonta ny 2 septambra izao, tolakandro.

Publié dans Sport