Filtrer les éléments par date : mardi, 02 août 2022

Nanao fanambaràna ny Jirama fa noho ny fahatapahan'ny herinaratra, dia misy fiatoana ny famokarana rano ao Mandroseza Antananarivo, ka dia hisy fikorontanana ny fizaran-drano ho an'Antananarivo sy ny manodidina.

Zavatra mahagaga ihany ny hoe ny Jirama mpamokatra herinaratra indray no tsy manana herinaratra.
Ny toby famokaran-drano izany dia faritra mena, sady arovana manokana raha ny fandriam-pahalemana, arovana manokana tsy hisy olona hafa hiditra, satria mety hisy ny fanapoizinana na fandotoana ny rano vokarina ho jifain'olona aman-tapitrisany.

Mitovy amin'ny faritra toy ny hopitaly, izay faritra tsy azo avela anatin'ny haizina na fahatapahan-jiro, ka manana giropy manokana famokarana herinaratra ho azy, raha mety misy ny fahatapahana faobe.

Inona marina ary no mitranga ?

Publié dans Editorial

Nisy zanaka trozona maty ho azy tany anaty ranomasina, ka nentiny onja, ary tody teo amorom-pasikin'i Libanona Tolagnaro.

Efa nifandrombahan'ny andian'olona nandrombinana izy io.

Nilaza ny fiadidiam-paritry ny fahasalamana, fa tsy azo hanina ny hazandrano maty ho azy.

Nalain'ny manam-pahefana izy io, dia notapatapahina, ary nalevina androany 02 Aogositra 2022. Fiaraha-miasan'ireo hery velona ao Tolagnaro no nanatanterahana izany.

 

Publié dans Vaovao