Filtrer les éléments par date : vendredi, 19 août 2022

Ny Filoham-pirenena rehefa mivoaka an'i Madagasikara, na inona antony na inona, dia manana arofenitra, protocole, sy Garde corps manokana miandraikitra ny fiarovana azy, ao anatin'izany ny fiarovana ny vady aman-janany sy ny entany, satria sao misy manisy zavatra mipoaka.

Publié dans Editorial

Manaitra ny fitondram-panjakana ny fikambanana KMF/CNOE-Fanabeazana olompirenena, amin’ny tokony hanovany ny paik’ady amin’ny fomba fitantanana ny firenena, indrindra amin’ny lafin’ny fampitam-baovao marina sy ara-potoana amin’ny vahoaka, ary koa amin’ny ny fitsinjovana ny olana mbola ho avy, mba tsy ho famahana olana fotsiny no hifantoan’ny governemanta manoloana ny fiakaran’ny vidin-tsolika, izay nitarika fiakaran’ny vidin’ireo kojakoja ilain’ny tokantrano malagasy hiatrehany ny fiainana andavanandro, indrindra any amin’ny faritra lavitra ny renivohitra any.

Ankehitriny anefa dia mbola misedra olana ara-pamatsiana « Gasoil » indray ny firenena. Angovo fototra miantoka ny fampandehanan-draharaha maro anefa izany, ary miteraka fahasahiranana lehibe ho an’ny rehetra, na ho an’ny mpitatitra, na ho an’ny mpandraharaha, na ho an’ny olon-tsotra.

Publié dans Politique

Hisy fifaninanana handraisana mpianatra ho mpitsara miisa 100 eo anivon’ny Sekolim-pirenena manofana ho Mpitsara sy Mpiraki-draharaha na ENMG.

Nankatoavin’ny Filankevitry ny Minisitra ny alarobia 17 aogositra ny hanomezan’ny Fanjakana foibe fanampiana ara-bola manokana, mba hisian’ny mangarahara tanteraka eo amin’ny dingana rehetra amin’ny fikarakarana ny fifaninanana.

Hentitra ny toromarika avy amin’ny Filoham-pirenena, dia ny hiantohana ny fomba rehetra hisian’ny mangarahara, azon’ireo mpiadina rehetra itokisana, amin’ny fizotran’ny fifaninanana rehetra, ka izay tena mahay sy mendrika no ho voaray, fa tsy sanatria hisy kolikoly na fahalalana olona, izay manimba endrika ny fanadinam-panjakana hatramin’izay, ka tsy maintsy hofongorina tsy misy hatakandro.

 

Publié dans Tselatra

18 Aogisitra 1968 - 18 Aogositra 2022, mitsingerina ny faha 54 taonan'ny Fiangonan'i Jesoa Kristy eto Madagasikara FJKM.

"Miorena tsara aza miova." 1 Kor. 15:58 no teny fanevan'ny fankalazana.

Ny FJKM dia Fiangonana nateraky ny Fitoriana ny Filazantsara, araka ny Baikon'i Jesoa Kristy hoe : "Mandehana any amin'izao tontolo izao ianareo, ka mitoria ny Filazantsara amin'ny olombelona rehetra". Mar. 16:15.

Tonga teto Madagasikara ny Misionera réformé LMS ny taona 1818. Nanampy azy ny FFMA, ary nanampy tamin'ny fiatrehana ny olana ny MPF nanomboka ny taona 1896.

Vina fototra ny hoe : "Mbola ho Firenena Kristianina i Madagasikara amin'ny taona 2118.

Vina ho an’ny efa-taona ho avy 2021-2025 kosa ny hoe : "Vontosy Filazantsara i Madagasikara : Filazantsara manova ny tantara".

 

Publié dans Art et Culture

Nankatoavin’ny Filankevitry ny Minisitra

handray anjara amin’ny fiadiana ny tompondakan’i Afrika amin’ny lalao baolina kitra an-tsekoly (Championnat Panafricain de football scolaire) ho an’ny taona 2022-2023 i Madagasikara.

Izy ity dia karazana taninketsan’ny baolina kitra iarahana amin’ny CAF, na ny « Confédération Africaine de Foot-ball ».

Zatovo mpianatra 13 ka hatramin’ny 15 taona no afaka mandray anjara, ary misy sokajy lahy sy vavy. Hisy dingana nasionaly karakaraina eto Madagasikara, iarahana amin’ny Federasiona Malagasin’ny Baolina Kitra, alohan’ny hiakarana amin’ny Dingana iraisan’ny firenena afrikana.

 

Publié dans Sport

Noraisin’ny Peace Corps tamin’ny fomba ofisialy ireo mpilatsaka an-tsitrapo roa, izay tonga eto Madagasikara, ary nanao ny fianianany mialoha ny handraisany ny asany tamin’ny talata 16aogositra 2022, teo anatrehan’ny Ambasadaoro Claire A. Pierangelo, sy ny Talen’ny Peace Corps eto Madagasikara, Brett Coleman.

Ireo mpilatsaka an-tsitrapo ireo dia isan’ireo tsy maintsy nandao an’i Madagasikara tamin’ny taona 2020, vokatry ny valanaretina Covid-19.

Tonga teto Antananarivo izy ireo tamin’ny fiandohan’ity volana ity, ary namerina nanamafy ny fahaizany teny malagasy indray tao anatin’ny tapa-bolana, ahafahany mandray ny asa maha-mpampianatra teny anglisy azy ireo any amin’ny sekoly ambaratonga faharoa.

Publié dans Sociale