Filtrer les éléments par date : samedi, 13 août 2022
samedi, 13 août 2022 19:17

Akory kay

Somary tsy salama Dadilahy, nentina dokotera.

Avy noraisin'ny dokotera, nanontany azy zafiny

- Nanakôry izy tao Dadilahy ?
- Dokotera tsy mahay raha
- Fa nisy ino ?
- Tsy raha marary aminahy ndraiky nanahirana azy, fa toaka sotroiko ndraiky manahirana azy.

Bonne nuit aby e.
Patrick

Publié dans Pilo kely

Famatsiam-bola mitentina 8 335 844 000 Ariary no navoakan'ny tetikasa Fihariana, nanomboka ny taona 2019, entina hanohanana ny indostria malagasy maro manerana ny Nosy, amin'ny alalan'ny fanamafisana ireo rojom-pihariam-pamokarana, manomboka any amin'ny fanohanana ara-bola sy ara-tekinika ireo mpandraharaha mpamokatra eny ifotony, izay mamatsy akora fototra ny indostria malagasy.

Isan'ny nisitraka izany ohatra ireo indostria misehatra amin'ny fampitaovana sy amin'ny famokarana entana ilaina amin'ny andavanandro, izay mamaly mivantana ny filan'ny tsena anatiny.

 

Publié dans Economie

Indostria miisa 107 ankehitriny no voatsangana manerana an’i Madagasikara hatramin’ny taona 2019. Anisan’izany ny ozinina fikapoham-bary « les Minoteries de l'Océan Indien », ny ozinina mpamokatra siramamy, ny ozinina mpamokatra fanafody Pharmalagasy, ny ozinina Nutrisud, tafiditra ao ihany koa ny fandaharanasa « Titre Vert », ny Clean coocking an’ny Miaro Madagascar, ny fanamoràna ny fananantany ho an'ny tantsaha, ny Fihariana ary ny ODOF (One District One Factory).

Nivoitra io nandritra ny lahatenin’ny filoham-pirenena Andry Rajoelina tao Vienne Autriche ny zoma 12 aogositra, nandritra ny lanonana nanoloran’ny ONUDI (Organisation des Nations Unies pour le Développement Industriel) azy ny amboara maha tompondaka amin’ny fampiroboroboana ny indostria aty Afrika.

Ny fampiroboroboana ny indostria no antoka hanatrarana ny fahataran’ny fampandrosoana an’i Madagasikara, hiadiana amin’ny fahantrana, ary hahatongavana amin’ny fahaleovantena ara-tsakafo, hoy ny Filoham-pirenena.

Publié dans Economie

Misokatra ho an’i Madagasikara ny tsena britanika. Tafakatra 24 tapitrisa Livres Sterling ny vola azo tamin’ny fanondranana lamba vita teto Madagasikara mankany Royaume-Uni, tamin’ny taon-dasa, raha 2 tapitrisa Livres Sterling ny lavanila.


Nivoitra izany ny zoma 12 Aogositra 2022, nandritra ny fandraisan’ny Minisitry ny Fampiroboroboana ny Indostria, ny Varotra sy ny Fanjifana (MICC) Edgard Razafindravahy, ny Ambasadaoron’ny Royaume-Uni David William Ashley tetsy Ambohidahy.

Nidinika fiaraha-miasa eo amin’i Madagasikara sy Grande Bretagne ny roa tonta.

Publié dans Economie

Nivoaka mpandresy tamin’ny isa 84 noho 81 nanoloana an'i Mali i Madagasikara tamin’ny lalao manasa-dalana amin'ny fiadiana ny tompondakan'i Afrika taranja baskety latsaky ny 18 taona, na AFROBASKET U18, natao ny zoma 12 Aogositra 2022, tao amin’ny lapan'ny kolontsaina sy Fanatanjahantena Mahamasina.

Publié dans A la Une

Hiatrika fifaninanana rejionaly eo amin'ny taranja Karate Do ny ao Androy ny sabotsy sy Alahady ho avy izao

Nanolotra amboara sy medaly homena ho an'ireo izay voafantina isan'ny mpandresy eo amin'izany fifaninanana izany ao amin'ny Faritra Androy ny Kestora voalohany ny Antenimieram-pirenena, sady solombavambahoaka voafidy tao Ambovombe Androy Jean Michel Henri.

Publié dans Sport

Hotanterahina ao Antsirabe, renivohitry ny Faritra Vakinankaratra, ny 30 aogositra hatramin'ny 4 septambra 2022, ny JMJ Mada X, na Andron'ny tanora katolika.

Nanolotra fampitaovana ho an’ny mpizaika hiatrika izany JMJ Mada X izany ny Filoham-pirenena mivady. Natolotra ny zoma 12 aogositra tao Antsirabe ny "Kits pélérins" miisa 30 000, ahitana kitapo sy gourdes.

Teo anoloan’ny Cathedrale Notre Dames de la Salette no nanolorana izany tamin’ny fomba ofisialy, teo anatrehan’ny Governora sy ny Prefet an’Antsirabe. Nandray izany ny Evekan’ny Diosezin’Antsirabe Mgr Ranaivomanana Phillipe.

Publié dans Art et Culture