Filtrer les éléments par date : vendredi, 12 août 2022

Nandray ireo olona te hihaona taminy ny Filoha lefitry ny Antenimierandoholona, misahana ny faritany tapany avaratra BESOA Erick, tao amin’ny Biraony Androkaroka Maroantsetra ny Alakamisy 11 aogositra.

Fihenoana ireo izay tonga tao no natao. Niresaka ny hetahetany izy ireo, nilaza ny zava-misy eny amin’ny fiarahamonina izay iainan’izy ireo, nanambara ny olana misy sy ny faniriana hatao…

« Nahavelom-bolo sy nahafa-po ny fandraisan’ny Vice-Président du Sénat Nord, » hoy ireo olona nihaona taminy tamin’io fotoana io.

Nanamafy ny senatera BESOA Erick fa, hampitomboina ny fotoana ahafahana mandray olona toy izao natao androany mba hanomezana fahafam-po ny Vahoaka, no sady ilaina ny mifampihaino sy mifampiresaka mba hisian'ny fifandraisana bebe kokoa.

(Jereo Sary Tohiny)

Publié dans Politique

Nisehoana tranga mampalahelo nahafatesan'olona miisa 10 tao Tsapoka, Kaominina Ihabohazo, Distrika Farafangana, Faritra Atsimo Atsinanana, omaly ny 11 aogositra 2022 tamin'ny valo ora alina.

Nanapoaka basy ireo andian'olona nanafika, niditra amboletra tamin'ny tokatrano miisa 5, ary notetehin'izy ireo tamin'ny fibara ireo olona 10 hitan'izy ireo, ary farany dia nodoran'izy ireo ny trano, mialoha ny nandosirany.

Anatin'ny fanadihadiana lalina ireo Zandary eny an-toerana, ka efa fantatra ireo olona nahavanon-doza sy ny toerana fiaviany ary ny nitsoahany, ka efa manomboka ny hazalambo.

Lonilonim-piarahamonina nihombo ho valifaty, ary niafara amin'izao habibiana izao, no namoizana ireo olona 10, ka zazakely ny 07 ary 03 olon-dehibe.

 

Publié dans Sociale