Filtrer les éléments par date : jeudi, 11 août 2022

Samy nibata fandresena nanoloana ny mpifanandrina aminy ny ANKOAY lahy sy vavy, tamin’ny lalao ampahaefa-dalana natao ny alarobia 10 aogositra 2022.

59 noho 47 no nandresen'i Madagasikara an'i Guinée tao amin'ny lapan'ny kolontsaina sy Fanatanjahantena Mahamasina. Mali no hihaona amintsika amin'ny manasa-dalana.

Tamin’ny isa 61 noho 58 indray kosa no nanilihan'ny ANKOAY vehivavy an'i Tanzania tamin’ny lalao ampahefadalana tao Antsirabe.

Ejipta no adversera manaraka amin'ny lalao manasa-dalana.

(Jereo Sary Tohiny)

Publié dans Sport
jeudi, 11 août 2022 16:45

RN44 : Miato ny fanamboarana ny lot 2

Misy fiatoana ny fanamboarana ny lot 2 amin’ny lalam-pirenena faha-44 (RN44) izao. Naka sisiny ireo fiarabe. Tsy misy solika, raha ny voalaza.

Nalefa "congé" ny ankamaroan'ny mpiasa.
Vitsy kely sisa no miasa ao.

Ny fanamboarana ny tetezan'i Ranofotsy sy ao avaratr'Amboasary, ary eo anelanelan'Andranokobaka sy Andilanatoby no hany misy miasa, saingy vitsy.

 

Publié dans Tselatra

Nankatoavin’ny Filankevitry ny Minisitra ny fanafoanana ny fanaovana fitiliana TDR eny am-pahatongavana eny Ivato sy amin’ny seranam-piaramanidina iraisam-pirenena any amin’ireo faritra hafa eto Madagasikara.

Foanana ihany koa ny fanaovana ny fitiliana PCR any am-piaingana amin’ireo seranam-piaramanidina avy any ivelany. Mihatra manomboka ny alakamisy 11 aogositra 2022 ireo fepetra vaovao ireo.

Izany dia noho ny fahitana, andaniny, fa efa voafehy ny fiparitahan’ny valanaretina eto Madagasikara, tato anatin’ny 4 herinandro farany izay, dia tsy nitsahatra nidina ny tarehimarika amin’ireo trangana COVID vaovao teto Madagasikara.

Publié dans Sociale

Nankatoavin’ny Filankevitry ny Minisitra ny fanendrena ny mpikambana ao amin’ny Filankevi-pitantanan’ny « Fonds Souverain Malagasy » na FSM.

Araka ny andininy faha-11 ao amin’ny lalàna lf : 2021-024 tamin’ny 29 septambra 2021 mifehy ny fananganana « Fonds souverain Malagasy», dia didim-panjakana raisin’ny Filankevitry ny Minisitra no hanendrena ny mpikambana ao amin’ny Filankevi-pitantanana.

Ireto avy ary ireo mpikambana miisa 7 ireo :

Avy amin’ny Fiadidiana ny Repoblika :
1) Atoa RASOLONDRAIBE Tsiresy : Manana ny mari-pahaizana “MBA en Finance” tany amin’ny Oniversite “Penn State University, State College”, Pennsylvanie Etazonia izy, nanampy tamin’ny fananganana ny “Fonds souverain”, sy ny famolavolana ny paikady hampandrosoana ny faritra atsimon’ny Nosy, nandrafitra ny paikadim-pampandrosoana eo anivon’ny PNUD Madagascar sy Comores, ary mpanolotsaina ara-bola (conseiller financier et d’investissement).

Publié dans Economie