Filtrer les éléments par date : mardi, 05 juillet 2022

Notanterahina tao Mandritsara ny alatsinainy 04 jolay 2022 ny fikaonan-doha mikasika ny fitrandrahana harena an-kibon’ny tany ao amin’ny Fokontany Sahatona, Kaominina Andohajango, Distrika Mandritsara, Faritra Sofia.

Nanatrika izany ny mpikambana eo anivon’ny OMC (Governora, Prefektiora, Zandary, Polisy, Miarimila, Fitsarana) sy ireo delegasiona avy ao amin’ny Ministeran'ny harena an-kibon’ny tany‚ izay notarihan'ny Tale Jeneralin'ny ANOR (Agence nationale de l'or), ary ireo tompon'andraikitra voakasika.

Publié dans Vaovao

Itrangana disadisam-piaraha-monina any amin’ny Distrikan’i Port-Bergé. Mifanolana ny tompon-tany sy ny mpiavy avy any Androy.

Nanao antso fanairana ireo olobe amin'iny faritra, handraisana andraikitra hisorohana ny tsy hiitaran'ny raharaha ho adim-poko.

Niara-nivory ny Conseil du Fihavanana Malagasy (CFM), notarihin'ny filohany Maka Alphonse, niaraka tamin'ireo mpikambana ao amin ny CFM avy amin ny Faritra Sofia sy Betsiboka , ny Fikambanan'ny Zanaka Ampielazan'ny Faritany Toliara ( FIZAFATO) ary ny Fikambanan'ny Teraky Androy eto Madagasikara ( FITEAM), momba io olana ara-piaraha-monina misy ao Boriziny io.

Nandinika ny andraikitra tokony ho raisina mba hanampiana ireo ezaka efa misy, tarihin’ireo Sojabe sy Raiamandreny to-teny ao Boriziny sy ireo kaominina manodidina, ka tsy mbola mampisy korontana any an-toerana.

Publié dans Vaovao

Fararano ho an'ny mpamboly lavanila ato anatin'ny Faritra Vatovavy ny andro, satria nosokafana tao Ampahomagnitra ny fiotazana sy fivarotana ary fividianana lavanila ato amin'ny Faritra Vatovavy.

Ny 02 jolay 2022 no daty voatondro isokana ara-panjakana.
Tonga nanokatra izany tamin'ny fomba ofisialy ny Governora sy Préfet Mananjary, notron'ireo manam-pahefana maro.

(Jereo Sary Tohiny)

Publié dans Economie

Notanterahina teny amin’ny ministeran’ny fampianarana ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa androany talata 5 jolay ny CPU, na fivorian'ireo mpitantana ny oniversitem-panjakana.

Maromaro ny laha-dinika voalahatra tamin'izany, toy ny hamaranana ny taom-pianarana 2021-2022, ny fidirana manaraka, ny amin'ilay lalàna mikasika ny fizakantenan'ny Oniversite.

(Jereo Sary Tohiny)

Publié dans Sociale

Mizotra ara-dalàna hatreto ny fanatanterahana ny fanadinam-panjakana BEPC, izay nanomboka ny 04 jolay, ary hifarana ny alakamisy 07 jolay 2022 izao, manerana ny tanin’ny Repoblikan’i Madagasikara.

Miisa 315 514 ireo mpiadina voasoratra anarana manerana ireo faritra 23 eto Madagasikara. Ny 32 amin'izy ireo dia manana fahasembanana, raha miisa 6 kosa ireo teratany vahiny.

Mitsinjara anatina efitrano fianarana 9 833, amina 1 072 ivon-toeram-panadinana manerana ny Nosy ny fanatanterahana ity fanadinam-panjakana faharoa ity.

Publié dans Sociale

Haka fitaovana entiny hiteraka no nandraisan'ity vehivavy bevohoka fiara fitaterana manao zotra Lokomby - Manakara. Vao niala sahabo ho 2km ny toerana niakarany tao anaty fiara anefa dia teraka ilay ramatoa.

Renin-jaza sendra nandalo tao amin'ny tanàna atao hoe Andranodimy no nanome tanana nampiteraka azy.

Teraka soamatsara ; vavy kely ilay zaza.

( Sary : Rocka Fisher)
(Jereo Sary Tohiny)

 

Publié dans Sociale

Voahosotra tompondakan'ny ligy Analanjirofo eo amin'ny taranja baolina kitra, divizionina voalohany (D1) ny FC RIDOUANE Mananara - Avaratra, rehefa nandresy ny FC MAHAVATSY avy ao Soanierana Ivongo tamin’ny isa 4 noho 1, nandritra ny lalao famaranana ny alahady 03 jolay 2022 folakandro, tao amin'ny kianja manarapenitra Sahavola Fenoarivo Atsinanana.

Nibata fandresena hatrany ny FC RIDOUANE nandritra ity fifaninanana ity.

(Jereo Sary Tohiny)

Publié dans Sport

Notanterahina ny 4 Jolay 2022 tao amin’ny trano fiasan’ny Masoivohon’i Madagasikara any Parisy ny fihaonana amin’ireo mpividy sy mpanafatra ary indostrialy mpanjifa ny lavanila malagasy, avy any Eoropa sy Etazonia, ary faritra samihafa maneran-tany.

Publié dans A la Une
mardi, 05 juillet 2022 09:16

No comment

No comment

 

Publié dans Tselatra