Filtrer les éléments par date : dimanche, 03 juillet 2022

Any Dubaï, dia efa mizotra makana amin'ny distributeur automatique ny fanakalozam-bola ho volamena.

Any an-toerana rahateo malalaka ny fampidirana sy famoahana volamena, rehefa mahaloa ny anjaran'ny fanjakana.

Ny eto amintsika, fitondrana nifandimby 5 taona, tsy hita nanjavona aiza ny volamena, ny ministeran'ny harena ankibon'ny tany indray no mitahiry volamena, fa tsy ny banky foibe.
Mba lasa aiza moa izany ireny vato sarobidy amin'ny taonina nogihazina ireny, ireny volamena voalaza tratra marobe ireny.

Sokafy ny fahafahana mitrandraka sy manondrana ara-dalana ny volamena fa aza giazanareo irery ao, nefa ianareo no tena mamatsy ny any Dubaï, efa 10 taonina isan-taona.

Ny ao Betsiaka izao efa nahita 67kg, talohan'ny 26 jona teo. Dia azo heverina fa tsy fantatry ny mpitondra ve izany ? Nefa amin'ny arivony ny fokonolona mitrandraka ao.

Tafandria mandry
Patrick

 

Publié dans Pilo kely

Hihaonana amin’ireo mpanafatra sy mpividy lavanila Malagasy ary ireo indostrian’ny lavanila ao amin’ny Masoivohon’i Madagasikara ao Paris ny CNV, na Filankevi-pirenena momba ny lavanila ny alatsinainy 4 jolay izao.

Mitarika ny delegasiona any an-toerana ny Minisitry ny vola Rindra Hasimbelo Rabarinirinarison sy ny minisitry ny fampiroboroboana ny indostria sy ny varotra ary ny fanjifana Edgard Razafindravahy.

Anisan'ny delegasionina amin'izany ny Loholona Filoha lefitra faritra avaratra, Eric Besoa LAMBERT, izay fantatra efa ela fa mpandraharaha matihanina mahafantatra tsara momba ity resaka lavanila ity, izay avy any Maroatsetra, ka sady afaka hiaro ireo mpandraharaha, izay kitro hifaharan'ny fanangonana sy famarotana any ivelany ny lavanila, no hitsinjo ihany koa ireo mpamboly, izay tsy maintsy arovana satria izy no foto-pisian'ny fihariana.

Publié dans Economie

Covid-19 : Namono olona 3 tao anatin’ny herinandro

 

Publié dans Tselatra

Voahosotra ho tompon'ny amboaran'i Madagasikara ny Elgeco Plus, rehefa nandresy an'isa 1noho 0, ny Fosa Junior, nandritra ny lalao famaranana androany teo amin’ny Kianjan'ny Elgeco Plus By Pass.

Ny Elgeco Plus izany no hisolotena an'i Madagasikara amin’ny fiadiana ny Amboran'ny CAF.

 

Publié dans Sport

Notontosaina ny 30 jona 2022 ny fankalazana ny faha-246 taona nanambarana ny fahaleovantenan'i Etazonia ho an'ny Masoivoho eto Madagasikara. Nitarika ny lanonana tamin'izany ny Ambasadaoro vaovao Claire Pierangelo, ary nitarika ny delegasion'ny Fanjakana Malagasy ny Minisitry ny Raharaham-bahiny Richard Randriamandrato.

Nandrindra ny lanonana no nampahafantaran’ny Ambasadaoro Claire Pierangelo fa vao avy nanome fankatoavana farany ny fiverenan'ireo mpilatsaka an-tsitrapo ny ao amin'ny Corps de la Paix, ary hanomboka hiverina eto Madagasikara izy ireo ny volana aogositra, tao aorian'ny roa taona sy tapany tsy nahateto azy.

Ireo mpilatsaka an-tsitrapo ao amin'ny Corps de la Paix dia niara-niasa akaiky tamin'ireo mponina teny amin'ny toerana nisy azy nanomboka ny taona 1993, ary izao hanavao fiaraha-miasa izao indray.

 

Publié dans Vaovao

Tovolahy iray mbola herotrerony, 20 taona, avy eny Anosiala Ambohidratrimo no voasambotry ny zandary avy ao amin’ny Brigady Talatamaty ny misandratr’andron’ny 28 jona 2022 taorian’ny resaka niely be teny an-toerana fa misy mivarotra zava-mahadomelina mahery vaika amin’ny karazany « heroïne » antsoina hoe « Roro ».

Taorian’ny tsongo dia sy fisavana nataon’ny zandary dia sarona tao Ambohinambo, Kaominina Talatamaty, Distrika Ambohidratrimo ilay tovolahy.

Nahitana « heroïne » nafenina tao anaty tranona afokasoka tany aminy.

Nambarany fa olona mipetraka eny Ambodin’Isotry Antananarivo no mamatsy azy, ary 90 000 Ariary ny grama ividianany azy.

Nanaovan’ny zandary fitanana an-tsoratra ary natolotra ny Fitsarana moa ilay tovolahy, ary notazomina am-ponja vonjimaika.

 

Publié dans Tselatra

Hanohy hanohana an'i Madagasikara hatrany Etazonia amin'ny fampandrosona ny andrim-panjakana sy ny dingana demokratika eto amin'ny firenena amin'izao ankatoky ny fifidianana nasionaly amin'ny taona 2023 izao, araka ny nambaran’ny ny Ambasadaoro vaovao Claire Pierangelo, ny 30 jona 2022, nandritra ny fankalazana ny faha-246 taona nanambarana ny fahaleovantenan'i Etazonia ho an'ny Masoivoho eto Madagasikara.

Nambarany fa hisy tetibola 1 tapitrisa dolara fanampiny amin'ny fandaharan'asan'ny USAID, hanampiana an'i Madagasikara amin'ny fanamafisana ny demokrasia, izay manomboka hita ny fijoroany.

 

Publié dans Politique

Mbola anaty fifampiresahana amin’izao ny Fanjakana sy ny mpandraharaha amin’ny famatsiana solika. Tsy mbola mihatra ny fiakaran’ny vidin-tsolika eto Madagasikara raha toa ka ny fiandohan’ny volana hatrany no mahazatra fampiharana ny fampakarana ny vidin-tsolika, araka ny fanazavan’ny Tale jeneralin’ny Ofisy malagasy ny akoran’afo na OMH, Olivier Jean-Baptiste, manoloana ny resaka miely fa hiakatra ny vidin-tsolika.

Nampitony ny mpanjifa ny Tale Jeneralin’ny OMH nandritra ny tafa tamin’ny mpanao gazety fa ampy ny tahirin-tsolika, fa lafiny teknika kosa no antony nandraisana ny fepetra tsy hahafahana maka solika amin’ny « bidon » miaty mihoatra ny 25l, eo ihany koa ny lafiny fandriampahalemana, ary koa ho fisorohana ny fanararaotan’ny mpijirika.

Tsy mety amin'ny mpitatitra mankany amin'ny faritra ity fanapahan-kevitra famerana ny fividianana solika amin'ny jerrican na bidon ity noho ny elenalan-toerana vao misy mpaninjara solika.

 

Publié dans Tselatra

Mitaraina ny mpiasan’ny zotra FCE (Fianarantsoa Côte-Est) fa efa mananika ny sivy volana izy ireo no tsy nandray karama. Nitondra fanazavana ny Minisitry ny Fitaterana sy ny Famantarana ny Toetr'andro Ranjatoelina Rolland nandritra ny fifanatrehan’ny Governemanta sy ny solombavam-bahoaka mahakasika indrindra io tsy fandoavana ny karaman’ireo mpiasan’ny zotra FCE.

Nangataka ireo taratasy mahakasika ny fandaniana natao nanomboka ny volana Febroary 2022 ny Ministera, hoy izy, satria tokony afaka nanefa na amin’ny ampahany izany karama izany ihany ny orinasa FCE. Nomarihiny fa tsy hitsabahan’ny Fanjakana ny fitantanana eo anivon’ny FCE fa mahaleo tena tanteraka ny orinasa.

Publié dans Tselatra