Filtrer les éléments par date : vendredi, 01 juillet 2022
vendredi, 01 juillet 2022 21:29

Morombe : Manafika ny andiam-balala

Misy andiam-balala manafika tany Andavadoaka, Distrikan'i Morombe, Faritra Atsimo Andrefana.

Manaitra ny fitondram-panjakana ny mponina, indrindra ny tantsaha manoloana izao loza efa mihatra izao.

Nanao fanairana ihany koa ny depiote IRD Tsiliva, voafidy tao Morondava, fa misy andiam-balala tany amin’ny Distrika nahavoafidy azy.

Etsy ankilany dia mitaraina ireo mpiasa mpamono valala fa karama volana aprily 2022 no noraisin'izy ireo farany.

(Jereo Sary Tohiny)

Publié dans Tselatra

Nametraka fanamby ny Minisitry ny Asa Vaventy, Hatrefindrazana Jerry, fa amin'ny taona 2023 dia tsy hisy lavaka intsony ireo làlam-pirenena voalohany RN 2, 4 ary 7.

Mikasika ny RN2 dia nambarany fa orinasa telo no manao ny asa, ka izay tsy manaja ny kalitao dia tsy haloa ny volany, ary nisy ny nomena baiko hamerenana tanteraka ny asa noho ny tsy fanajana ny kalitao.

Nivoitra io nandritra ny Fihaonan'ny governemanta sy ny solombavambahoaka notontosaina ny Talata 28 sy Alarobia 29 jiona 2022, teny amin'ny CCI Ivato. Fotoana natokana anaovan'ny Governemanta ny tatitr'ireo asa natao nandritra ny enim-bolana voalohany tamin'ity taona 2022 ity, sy ny famaliana ireo hetahetam-bahoaka.

Mikasika ireo famatsiam-bola entina hanamboarana ireo lalana eto Madagasikara dia nitondra fanazavana ny minisitra fa mizara efatra, ary samy manana ny fitsinjarana azy ireo vola ireo :

Publié dans Politique

Nitrangana fanampoizinana ara-tsakafo, ka nahafatesana olona miisa 14, ary 54 kosa nampidirina hopitaly tao amin'ny Fokontany Lovobe, Distrika Morondava , Faritra Menabe.

Tonga taty an-toerana ny minisitry ny tanora sy ny Fanatanjahantena, sady Minisitra mpiahy ny Faritra Menabe, Tinoka Roberto, iraky ny fitondram-panjakana, izay tarihin'ny Filoha Andry Rajoelina sy ny Praiministra Ntsay Christian.

Publié dans Sociale