Filtrer les éléments par date : mercredi, 08 juin 2022

Nisy ny fihaonana teo amin'ny Rosa Rakotozafy, Tale Jeneralin'ny Fanatanjahantena sy ny federasiona Handisport ary Melvin Adrien sy ny Expert avy atsy amin'ny Nosy La Réunion.

Hametraka fiaraha-miasa ara-teknika hoentina hampiroboroboana ny taranja ara-panatanjahantena ho an’ny olona manana fahasembanana na handisport, ary hanombohana azy ny taranja baolina kitra ho an'ny jamba izay anisany programa hotohanan'i Melvin Adrien, Ryan Raveloson ary Thomas Fontaine.

Hisy fampiofanana ara-teknika izay hatao, na eo amin'ny mpilalao, na mpanazatra, ary koa ny mpiandry harato.

Savaranonando ihany no natao fa hisy ny fihaonana hotanterahina amin'ny Minisitry ny tanora sy ny fanatanjahantena Tinoka Roberto, ho fanamafisana ny fametrahana ny programan'asa rehetra, izay hilana ihany koa ny fanohanan'ny fitondram-panjakana ankoatra ireo mpiara-miombon'antoka.

Publié dans Sport

Nisy Mpanarato 15 lahy, avy ao Antsanitia Mahajanga, niandriaka ny andron’ny alahady pantekôty 2022. Maty tampoka anefa ny moteran’ny lakana hazo nentin’izy ireo, tokony ho tamin’ny 5ora hariva, ka nahafefiky ranomasina tany afovoany.

Nampandre ny vadiny ny iray tamin'izy ireo mba hitady vonjy amin’ny Antokon-draharaha misahana ny fifamoivoizana an-dranomamy sy an-dranomasina na APMF.

Manana sambokely fanaovana vonjy aina ny APMF, saingy noho ny andro ratsy be tamin’io, dia tsy afaka nampiasaina ilay izy, fa nitady sambo haingam-pandeha, sady matanjaka tamin’olon-tsotra ny Tale APMF, Rainimbahy Jacquis Georges, mba ahazo antoka kokoa ny fanavotana ireo mpanjono, mbola maro ny fandresen-dahatra tamin'ny tompon'ilay ilay vedette satria ratsy ny andro tamin'io fotoana io, tafakatra 2,50m ny haavon’ny ranomasina, ary 40 noeuds kosa ny tafiotra, natoky ihany anefa ny tompon'ilay sambo aigam-pandeha satria dia ny tale APMF mihitsy no nanamory ilay Sambo, izy rahateo dia Inspecteur des affaires maritimes, nianatra tao amin'ny fianarana ambony momba ny ranomasina, ÉCOLE NATIONALE SUPÉRIEURE DE L’ADMINISTRATION MARITIME (ENSAM) tao Frantsa, sy Master II droit et sécurité des activés maritimes et océaniques (DSMO) de la faculté de droits et de sciences politiques de l’Université de Nantes France.

Publié dans Vaovao

Nosokafana androany 08 Jiona 2022 tetsy amin’ny Antenimieran’ny Varotra sy Indostria Antaninarenina ny « Herinandron’ny Fanjifana ».

Zo faha-7 anatin’ny zo tokony sitrahan’ny mpanjifa ny fanomezana azy fahafaham-po eo amin’ny filàna fototra andavanandro, hoy ny Tale misahana ny Fiarovana ny Mpanjifa (DPC), Haingo Andriamadison nandritra ny fanokafana izany.

Ity no fankalazana voalohany izany herinandro natokana ho an’ny Fanjifana izany, izay iarahana amin'ny rafi-pahefana samihafa, toy ny avy eo anivon’ny JIRAMA, ny Antokon-draharaha miandraikitra ny fitaterana an-tanety (ATT), ary ny Antokon-draharaha manara-maso ny fiantohana ara-pahasalamana sy ny kalitaon’ny sakafo (ACSQDA).

Publié dans Economie

Tanterahina ao Saint Pierre Nosy Maorisy manomboka androany 8 hatramin'ny 12 Jiona, ny fiadiana izay ho tompondakan'i Afrika eo amin'ny taranja atletisma sokajy « senior » andiany faha-22.

Sambany teo amin'ny taranja atletisma Malagasy no nahitàna delegasiona be indrindra hiatrika izany tompondakan'i Afrika izany.

Niainga ny harivan’ny talata 07 Jiona 2022, nihazo ny Nosy Maorisy ireo delegasiona Malagasy, ahitana Atleta sivy mianadahy, izay tarihin’ny Filohan'ny federasiona, Raherison Dominique.

Publié dans Sport

Nolanian’ny Solombavambahoaka ny volavolan-dalàna laharana faha-002/2022 tamin’ny 11 Mey 2022 « autorisant la ratification de l’accord de prêt relatif au financement du Projet Connecter Madagascar pour une croissance Inclusive » nosoniavina ny 18 aprily 2022 teo amin’ny Repoblikan’i Madagasikara sy ny Association Internationale de Développement (IDA) ».

Mitentina 287 600 000 DTS ny famatsiam-bola, ka ny 143 800 000 DTS dia vola indramina, fa ny sisa kosa dia fanomezana.

Ny famatsiam-bola dia entina hanamboarana lalana mahatratra 434 km ho an’ny RN10, ary 257 km ho an’ny RN31, ka ny 117 km amin’izany dia mampitohy an’Ankazobetsiahy amin’i Bealanana, ary ny 140 km kosa dia mampitohy an’i Bealanana amin’i Andapa.

 

Publié dans Politique
mercredi, 08 juin 2022 07:43

No comment

No comment

 

Publié dans Fil info

Nisy fivorian'ireo lohandohany mpitarika avy amin'ireo vovonan'ny mpanohitra ny fitondra Andry Rajoelina dia ny vovonana Panorama sy RMDM, teny amin’ny trano fonenan'ny filoha teo aloha, sady filoha nasionalin’ny antoko Tiako I Madagasikara sy ny RMDM, MarcRavalomanana.

Ilaina ny fampitoviana ny tadin-dokanga, hoy ny mpitarika, mba hanamafy fa tena ilaina ny fifampidinihana na ny concertation.

(Jereo Sary Tohiny)

Publié dans Politique