Filtrer les éléments par date : mardi, 07 juin 2022

Tsy voasakan'ny andro mangatsiaka ny olona fa tonga mitsangatsangana ao amin’ny Vala-java-boahary Tsimbazaza ny fianakaviana maro, na ny akaiky na ny avy lavitra, miaraka amin'ny ankizy.

Feno olona rehefa mety ho toerana azo hipetrahana sy azon'ny ankizy hilalaovana ny andron’ny Alatsinainy Pentekôty ity.

(Jereo Sary Tohiny)

 

Publié dans Tselatra

Lalao roa natrehin'ny BAREA tao anatin’ny Vondrona E misy azy tamin'ity volana jona 2022 ity, amin’ny Fifanintsanana CAN Côte d'Ivoire 2023.

Faharesana 3 noho 0 nanoloana an’i Ghana sy ady sahala 1 noho 1 tamin’i Angola ny vokatra azo.

Mbola manana lalao efatra ny BAREA, izay hotanterahina amin’ny volana septambra 2022 ny lalao roa, ary amin’ny martsa 2023 ny lalao roa farany.

Nirava ady sahala 1 noho 1 ihany koa ny lalaon’i Centrafique sy Ghana, tamin’ny andro faharoa, nataon’ireo ekipam-pirenena roa, iray Vondrona E amin’i Madagasikara.

Publié dans Sport

Tapak’ireo olobe Menabe nandritra ny lohavogny tao Tomboarivo sy Belo Tsiribihina fa hotanterahina ny 04 ka hatramin'ny 12 Aogositra 2022 ny FITAMPOHA Menabe.

Kolontsaina Sakalava ny Fitampoha. Nankalaizana isaky ny folo taona izy tany ampiadohana, niova ho isaky ny dimy taona izany nanomboka ny taona 1988.

Maro ny fomban-drazana tanterahina mandritra izany, anisan'izany ny fampandroana ny taolambalon’ireo Mpanjaka nanamarika ny Fanjakana Menabe.

(Jereo Sary Tohiny)

Publié dans Art et Culture

Tonga teny amin'ny Tribonaly miady aminy kolikoly na PAC (Pôle Anti-Corruption) androany Talata 07 jiona 2022, i Clémence Raharinirina, nametraka taratasy 13 pejy fitoriana an’ny Ben'ny tanànan'Antananarivo Naina Andriantsitohaina sy ireo rehetra mpiray tsikombakomba aminy na olomboafidy na olomboatendry amin'ny resaka fangalana volan'ny CNAPS, ny SMGD, ny SMA sy ireo orinasa maro naorin'izy ireo eo anivon'ny CUA, ary koa ireo fandikan-dalàna miendrika kolikoly marolafy.

« Mbola nitoriako azy koa ny "représailles" ny amin'ity fitoritoriana lava atao anay mpanolotsaina mahasahy mijoro mitoroka ny fandikan-dalàna ity, izay helohin'ny lalàna manankery », hoy i Clémence Raharinirina.

Publié dans Politique

Hotanterahina atsy amin’ny nosy Maorisy ny 8 ka hatramin’ny 12 jiona ny andiany faha-22 amin'ny fiadiana ny Tompondakan'i Afrika amin’ny taranja Atletisma.

Atleta miisa sivy mianadahy no hiaro ny voninahi-pirenena mandritra ny fifaninana.

Fanintelony amin'izao ny Nosy Maorisy no mampiantrano ity fifaninanana kaontinantaly ity taorian'ny 1992 sy 2006.

 

Publié dans Sport

7 juin : Journée mondiale des martinets.

 

Publié dans Fil info