Filtrer les éléments par date : jeudi, 30 juin 2022

Nitokona teny Ambolokandrina, mitaky ny hamerenana ny « terminus » na tobim-piantsonan'izy ireo taloha eo Ambohijatovo Ambany, ambadiky ny mpivarotra boky tonta ny Zotra 182 mampitohy Ambolokandrina-Ambohijatovo Ambany androany maraina.

Toherin'izy ireo ny famindrana ny « terminus » vaovao ho eo Ambohijatovo Ambony.

Namaly tao amin’ny tambazotra « Twitter » ny Ben’ny tanànan’Antananarivo Renivohitra, Naina Andriantsitohaina nilaza fa « Dia aleo ary ny 182 hitokona raha tsy mety aminy ny Arrêt Ambohijatovo Ambony. Aleo mihitsy ary ateriny aty amin’ny Kaominina ny « licence » fa mahita bus hafa izahay hanao ny asa ».

Nisy tamin'ireo taxi-be sasany tao amin’io zotra io no niasa ihany na teo aza ny fitokonana.

(Jereo Sary Tohiny)

Publié dans Tselatra

Nanao fanambarana iombonana ireo Sendika roa tonta eto anivon’ny Ministeran’ny Raharaham-bahiny, taorian’ny valim-panontaniana nomen’ny Minisitry ny Raharaham-bahiny an’ireo Solombavam-bahoakan’i Madagasikara ny 29 jiona 2022 teny amin’ny CCI Ivato, fa mitohy ny fitokonana.

Manamafy ny fitakiana ny fampiharana tsy misy hatak’andro ny rijan-dalàna mikasika ny « rotation » sy ny « affectation » ny mpiasa. Mitaky ny fisitrahana isam-bolana ny tambin-karama napetraky ny lalàna ho an’ny mpiasa.

Mitaky ny fanatsarana ny tontolo enti-miasa eo anivon’ny Ministera, amin’ny lafiny ara-bola sy ara-pitaovana, mba ho tandrify ny maha Ministeran’ny Fiandrianam-pirenena (Ministère de souveraineté) ny Ministeran’ny Raharaham-bahiny, ary indrindra indrindra ny fanatsaharana ny fanavakavahana ara-piaviana ataon’ny Minisitra.

Mametra-panontaniana ihany koa ireo sendika hoe : Minisitry ny Raharaham-bahiny mahalala tsara ny asa atao ve no misy ao amin’ny Ministera, mampiray ny mpiasa sa mampizarazara ?

Publié dans Politique

Efa saika mivoaka avokoa amin’ny ankapobeny ny valim-panadinana CEPE 2022 manerana an’i Madagasikara amin’izao fotoana izao. Fari-piadidiam-pampianarana miisa 100 amin’ny 114 no efa namoaka valim-panadinana rehetra, raha ny hita ao amin’ny antotanisan’ny tranokalan’ny Ministeran’ny fanabeazam-pirenena.

Niisa 525 111 ny mpiadina CEPE voasoratra anarana nandritra ny fanadinana, ka 107 no mila fanampiana manokana : 16 amin' ireo jamba, 19 ireo manana olana amin’ny fahitana, 57 ireo marenina, ary 15 ireo manana kilema.

Miisa 1997 ireo ivon-toeram-panadinana, izay ahitana efitranom-panadinana miisa 15 944.

Efa miomana sahady amin’ny fikarakarana ny fanadinam-panjakana BEPC ny Ministera, sy ireo fari-piadidiam-pampianarana izay efa nahavita namoaka tanteraka ny valim-panadinana CEPE amin’izao fotoana izao.

 

Publié dans Sociale

Nanao fanambarana ireo mpikambana solotenan’ny mpamorona sy artista ao amin’ny Fikankevim-pitantanana (CA) OMDA, voafidy tamin’ny fivoriambe (AG), maneho ny tsy fankasitrahana ny tsy fanajana ny rafitra ara-pitantanana eto anivon’ny OMDA.

Nambaran’izy ireo fa nanao fifanarahana (convention) niaraka tamina orinasa tsy miankina iray, izay mamatotra ny OMDA sy ny mpikambana, ny Minisitry ny Serasera sy ny Kolontsaina ny 21 jona 2022, kanefa tsy nandalo fankatovan’ny Assemblée Génerale (AG) sy ny Conseil d’Administration (CA), izay rafitra hany mpanapaka eo anivon’ny OMDA, araka ny sata mifehy ity farany.

Publié dans Art et Culture

Tontosa ny 28 sy 29 jona teny amin’ny CCI Ivato ny fihaonana eo amin’ny mpikambanana ao amin'ny governemanta izay tarihin'ny Praiminisitra Lehiben'ny governemanta, Ntsay Christian sy ny Solombavambahoaka, fihaonana izay voafaritry ny Lalàmpanorenana ho fampandehanana ny raharaham-pirenena.

Nandritra ny andro voalohany dia nanao tatitra ny Praiminisitra Lehiben’ny governemanta, Ntsay Christian mahakasika ny asa vitan'ny ministera tsirairay.

Ho an'ny Ministeran'ny Fampianarana Ambony sy ny Fikarohana Ara-Tsiansa dia vita tanteraka ny fananganana Oniversite, fa miandry fampitaovana sisa ao Soavinandriana- (Itasy), Fenoarivo Antsinanana (Analanjorofo).

Publié dans Sociale

Nohelohin'ny Fitsarana enim-bolana an-tranomaizona, sazy mihatra i Ninie Donia sy ireo 13 hafa namany, araka ny didy nivoaka androany tao amin'ny Fitsarana ambaratonga voalohany Nosy Be.

Publié dans A la Une

30 juin : Journée mondiale des astéroïdes.

 

Publié dans Fil info