Filtrer les éléments par date : vendredi, 03 juin 2022

Nanome ny toerana eo Tsimahabeomby Imerintsiatosika ny Minisiteran’ny Fiarovam-pirenena ho fanatanterahana ny tetikasa fananganana tanàna vaovao TANA-MASOANDRO.

Tsy maintsy afindra noho izany ny toerana fitahirizana bala tao amin’ny “Régiment d'Artillerie Lourde” (RAL) teo aloha, izay mbola ao an-toerana ankehitriny.

Ho taterina sy apetraka ao Tampoketsa Ankazobe arak’izany ireo fitaovam-piadiana sy ireo fitoerany, ary ireo fitaovam-piadiana “gros calibres" an’ny RAL kosa dia ho taterina sy afindra ao Arivonimamo.

Hopotehina, araka izany, ireo baomba efa lany andro, ary hapetraka amin’ny fotodrafitrasa vaovao, izay namboarina manaraka ny fenitra, ireo mbola miasa.

Nankatoavina nandritra ny Filankevitry ny minisitra ny fangatahana famatsiam-bola nataon’ny Minisiteran’ny Fiarovam-pirenena ho famindran-toerana maika ireo fitaovam-piadiana sy ireo fitahirizana bala tao Imerintsiatosika ireo.

 

Publié dans Vaovao

Tontosa ny alarobia 1 jona 2022 ny andro voalohany tao amin’ny Vondrona E, amin’ny lalao fifanintsanana hiadiana tapakila hiatrehana ny dingana famaranana ny fiadiana ny tompondakan’i Afrika, na CAN, amin’ny baolina kitra hatao any Côte d’Ivoire ny taona 2023.

Niondrika an’isa 0 noho 3 i Madagasikara nanoloana an’i Ghana mpampiantrano. Nandresy an-tanàna 2 noho 1 nanoloana an’i Centrafique ihany koa i Angola.
Laharana faha-4 vonjimaika i Madagasikara taorian’iny andro voalohany iny.
Handray an’i Angola etsy amin’ny Kianja Barea Mahamasina indray ny ekipam-pirenana Malagasy ny alahady 5 jiona, amin’ny 4 ora tolakandro, amin’ny andro faharoa.

Tsiahivina fa raha ny filaharana manerantany farany navoakan’ny FIFA, na Federasiona iraisam-pirenena ny baolina kitra, ho an’ireo firenena iray Vondrona E amin’i Madagasikara, dia faha-60 i Ghana, faha-102 i Madagasikara, faha-126 i Angola ary faha-131 i Centrafrique.

 

Publié dans Sport