Filtrer les éléments par date : mercredi, 29 juin 2022

Mbola olombelona misy fanahy ihany ve ? Ny rahalahin-drainy ihany no nahavita nanolana zazavavy kely vao 7 taona monja, ary tsy indray mandeha fotsiny ihany.

Ny fizahan'ny dokotera no nahalalana fa efa simba tanteraka ilay zaza.

Tao amin'ny tanàna iray ao anatin'ny Kaominina Ambohitompoina, Distrika Antanifotsy, no nitranga izany.
Nametraka fitoriana ny ray aman-drenin'ilay zaza vantany vao nahalala ny zava-nisy.

Nokarohina ary nosamborin'ny Zandarimaria ity voatondro ho nahavanon-doza, atao fanadihadiana, ary hatolotra ny Fitsarana.

 

Publié dans Tselatra

Nampidi-bola any amin'ny 590 tapitrisa dôlara ny fanondranana lavanila mankany ivelany nandritra ny taom-piotazana 2021-2022, araka ny tatitra nataon'ny Praiminisitra, nanoloana ireo Solombavam-bahoaka, nandritra ny fifanatrehan'ny governemanta sy ny Antenimieram-pirenena tanterahina eny amin’ny CCI Ivato hatry ny omaly.

Tafakatra 2 950 taonina ny vokatra nahondrana tamin'ity taona ity, izay sokajina ho betsaka indrindra tato anatin'ny 5 taona, hoy ny Minisitry ny Indostria, ny Varotra sy ny Fanjifana Edgard Razafindravahy.

Nanaovana hetsika manokana ny fanadiovana ny seha-pihariana lavanila. Noferana ho 75 000Ar ny vidy farany ambany ivarotan'ny mpamokatra ny iray kilao amin'ny lavanila maitso. 250 dôlara kosa no andafosana azy eo amin'ny tsena iraisam-pirenena.

Publié dans Economie

Notsaraina ny talata 28 jona 2022 ny raharaha nitorian'ny mpanolotsaina monisipaly Lalatiana Ravololomanana sy Balita an'ireo mpanolontsaina monisipaly namany. Mpanolotsaina sivy no niatrika ny mpitsara, ka ny fito toriana, roa mpitory.

Publié dans A la Une

Mandrahona ny hanao fitokonana ny Mpiasan'ny zotran-dalamby FCE (Fianarantsoa Côte Est). Sivy volana tsy nandray karama izy ireo, araka ny nambaran’ny depiote IRD voafidy tao Fianarantsoa, sady filohan’ny Vaomieran'ny fitaterana eo anivon’ny Antenimieram-pirenena, Seth Rajoelina.

Orinasam-panjakana, ary ny Fanjakana no hany tompon'ny renivola miasa ao, hoy ity farany, raha nanaitra ny governemanta tarihin'ny Praiminisitra Ntsay Christian hamaha ny olana.

(Jereo Sary Tohiny)

Publié dans Vaovao

Nanao fakan-kevitra teo anivon’ny Filankevi-panjakana (Conseil d’Etat) ny Voamieram-Pirenena Mahaleotena Misahana ny Zon’Olombelona (CNIDH), mahakasika ny didim-pitondrana mamaritra toerana 228, izay natokana ho an’ny zanak’ireo Polisy amperin’asa, na misotro ronono, na koa efa nodimandry, amin’ny fifaninana handraisana mpianatra ho polisy isan’ambaratongany, izay hotanterahina amin’ny volana Jolay 2022 ho avy izao.

Namaly ny Filankevi-panjakana fa tsy isan’ny mason-tsivana handraisana mpifaninana ny rohim-pihavanana, ka tokony horaisina mialohan’ny adina ny fepetra hapitoviana ny zon’ny rehetra.

Nampitain'ny CNIDH any amin’ireo rafitra manana ny tandrifim-pahefana mifanaraka amin’izany ny AVIS N°11/22-CS/CF/AV/CRECS, navoakan’ny Filankevi-panjakana ny 27 Mey 2022 lasa teo.

 

Publié dans Tselatra

Tanterahina eny amin'ny CCI Ivato mandritra ny roa andro, ny 28 sy 29 jona ny tatitry ny asan'ny Governemanta sy ny fametraham-panontaniana ataon'ny Solombavambahoaka.

(Jereo Sary Tohiny)

Publié dans Politique