Filtrer les éléments par date : mardi, 28 juin 2022

Nisokatra androany ny habakabak'i Toamasina eo amin'ny sidina iraisam-pirenena, rehefa nikatona nandritra ny firongatry ny Covid-19 ireny.

Ny sidina mivantana avy any La Réunion tamin'ny alalan'ny kaompania EWA Air, ao anatin'ny Air Austral, no nisantatra ofisialy izany androany Talata 28 jona 2022.

Miisa 39 ireo mpandeha nentiny, izay nahitana teratany malagasy sy vahiny, raha 13 kosa ireo mpandeha niondrana avy tato Toamasina ho any La Réunion.

Hisy sidina mivantana in-droa isan-kerinandro ny Talata sy Alarobia mampitohy an'i La Réunion sy Toamasina, izay heverina fa hanome aina ny lafiny ara-toekarena sy ny fifandraisana ary ny sehatry ny fizahantany ny fiverenan'izany.

Publié dans Vaovao

Niakatra Fitsarana tetsy Anosy androany Talata 28 jona 2022 ireo Mpanolontsaina monisipaly miisa 6 avy amin'ny antoko Tiako i Madagasikara, miampy an'i Clémence Raharinirina, avy amin'ny antoko IRD, noho ny fitoriana nataona mpanolontsaina monisipaly roa azy ireo.

Ny raharaha hanenjehana an'ireo mpanolotsaina 07 mianadahy dia mahakasika famoahana vaovao tsy marina tao amin’ny FB sy tamin’ny fahitalavitra ; ka ny mpanolotsaina Lalatiana Ravololomanana sy ny mpanolotsaina Balita, avy amin’ny KOMBA no mitory. Ity raharaha ity, izay mifandray amin’ireo orinasan’ny CUA SMA sy SMGD.

Ho an’i Clémence Raharinirina manokana dia notsaraina androany koa ny raharaha famoriana olona tsy nahazoana alalana sy manao "atteinte à la sureté de l’Etat", ka nisamborana azy an-terisetra teny Ankorondrano. Ny Fanjakana no mitory.

In-2 niseho teo anoloan’ny Fitsarana i Clémence Raharinirina noho io raharaha io, saingy tsy tonga hatrany ny mpitory, ka nahemotra hatrany ny fitsarana.

 

Publié dans Politique

Mafotaka amin'izao fotoana ny fitrandrahana volamena ao Mantaly Maro, Fokontany Ankatoko, Kaominina ambanivohitra Betsiaka, Distrika Ambilobe, Faritra DIANA.

Ny KRAOMA no fantatra fa tompon'ny fahazoan-dalana hitrandraka harena an-kibon’ny tany amin'iny faritra iny, ary maharitra 40 taona any izany.

Orinasa tsy miankina kosa no manao ny fitrandrahana ankehitriny, miaraka amin'ny Fokonolona.
Efa tonga any amin'ilay "tunnel" voalaza fa misy lalam-bolamena navelan'ny vazaha ny mpitrandraka amin'izao fotoana izao.

Ilay orinasa tsy miankina no miantoka ny fitaovana enti-miasa, toy ny groupe électrogène, paompy fitrohana rano, gazoala ... Ny Fokonolona kosa miantoka ny sakafo sy ny fiasana.

Publié dans Economie

Tonga nanolotra tamin'ny minisitry ny raharaham-bahiny Richard Randriamandrato, ny dika mitovy ny taratasy fanendrena azy ho masoivohon'i Etazonia eto Madagasikara ramatoa Claire Annette PIERANGELO, ny Alatsinainy 27 jona 2022, tetsy amin’ny ministeran’ny raharaham-bahiny Anosy.

Claire Annette PIERANGELO indray izany ho ambasadaoro amarikana eto Madagasikara.

(Jereo Sary Tohiny)

Publié dans Politique

28 juin : Journée mondiale de la majuscule (Caps Lock Day).

 

Publié dans Fil info