Filtrer les éléments par date : dimanche, 26 juin 2022

Samy manana ny safidiny moa ny Filoham-pirenena.

Fa ho anay efa nanao Miaramila, na dia ivelan'ny Tafika aza, Service National Hors force armée, dia zava-dehibe ny fifantohana rehefa misafo andian-tafika ny lehibe.

Fotoana iray iny anehoan'ny lehibe fa izy no tompon'ny fibaikoana, ary manaja ny olombelona eo ambany fiadidiany izy amin'iny.
Mifanome voninahitra isaky ny andiany, izay mitazona ny Sainam-pirenena sy ny Saina fanevan'ny Andiany.

Ahondriky ny lehiben'ny andian-tafika eo ampandalovan'ny Lehibe manao fisafoana ny Sabatrany, hilazany fa manaiky ilay lehibe manao fisafoana ny andian-tafika baikoany.

Publié dans Pilo kely
dimanche, 26 juin 2022 10:55

26 jona 2022

Miarahaba antsika Malagasy rehetra amin'izao dingana ho any amin'ny tena fahaleovan-tena izao.
Maro tokoa ny ezaka mbola ataotsika vao tena afaka milaza fa mahaleo tena isika.

- Mila mahaleo tena ara-tsakafo, indrindra ara-bary foto-tsakafotsika isika,
- Mila adika ary ampiasaintsika amin'ny Lalàna sy ny didy ,rehetra eto amintsika ny teny Malagasy,
- Apetraka ho ny teny Malagasy irery ihany no teny ofisialy ao anaty Lalampanorenantsika, ny teny hafa dia fitaovam-pifandraisana fotsiny ihany amin'izay ilana azy,
- Teny Malagasy no anondroana ny birao sy ny asam-panjakana ary ny taratasy rehetra, eny anivon'ny Ministera, ka hatrany amin'ny biraom-pokontany,

Publié dans Editorial