Filtrer les éléments par date : vendredi, 24 juin 2022
vendredi, 24 juin 2022 21:33

Filazam-baovao nivoaka ny 30 jolay 2020

Tetikasa FlyOver: hatomboka amin’ity taona ity ny asa etsy Andohatapenaka/Ampasika sy ny etsy Anosizato

Notapahana mandritra ny Filankevitry ny Minisitra fa hatomboka amin’ity taona ity ny fanaovana ireo FlyOver na teteza-mihantona ambony kihon-dalana miisa roa, dia ny etsy Andohatapenaka/Ampasika, sy ny etsy Anosizato.

Hanome famatsiam-bola mitentina 20 tapitrisa dolara ho entina amin’izany ny BADEA na ny Banky Arabo ho amin’ny Fampandrosoana aty Afrika, ka ny famatsiam-bola anatiny no ho entina manomboka ny asa, ary ny famatsiam-bola avy amin’ny BADEA kosa no handray ny tohin’ny asa.

Publié dans Pilo kely

Nandritra ny fanatanterahana ny fifamindram-pahefana teo amin’ny Tale Jeneraly teo aloha, izay voatendry tamin’ny taona 2020, sy ny Tale Jeneralin'ny Ministeran Harena an-kibon’ny tany sy ny Loharanon-karena stratejika vaovao, voatendry ny 13 aprily 2022, dia "procédure normale" sy ao anatin’ny fangaraharana ny fanatanterahana ny "inventaire" an’ireo entana anatin’ny "coffre " alohan’ny hanaovana fampitàna ny fanalahidy.

Nisy ny "procédures" nangalàna vadintany ,"huissier", ka notanterahana ny Alarobia 01 Jona 2022 izany "inventaire" izany.

Hita tamin’izany fa nisy ny tsy fahatomombanana, na "anomalie", satria tsy nifanandrify ny entana voalaza fa tokony ho ao anaty "coffre", sy ny entana voamarin’ny vadintany sy ireo mpanatrika nahita maso teo.

Tsy nisy volamena intsony tao, fa nosoloina "objets métalliques" maro samihafa amin'ny lanja nitotaly 24,550kg (24kg et 550g) .

Publié dans Tselatra

Nolanian’ny solombavambahoaka androany zoma 24 jona 2022 ny volavolan-dalana laharana faha-006/2022 tamin’ny 15 jona 2022 « autorisant la ratification de l’accord de prêt relatif au financement du projet d’aménagement du fly-over Anosizato, croisement RN1 et RN58A (Ankadimbahoaka-Andranomena), natao tamin’ny 19 mey 2022 niarahan’ny Fanjakana Malagasy sy ny Banque Arabe pour le Développement Economique en Afrique (BADEA).

Ny tetikasa dia hitondrana fanamaivanana ny fitohanan’ny fifamoivoizana sy ho fanatsarana ny tanàna.

(Jereo Sary Tohiny)

Publié dans Vaovao

Niakatra teny anivon'ny fitsaràna ny talata 21 jona teo ny fangatahana fahafahana vonjy maika napetrak'ireo olona voatazona vonjimaika eny Amponja tamin'ny fividian'ny Cnaps tany teny Ambatobe.

Nanamafy moa ireto olona ireto, fa fanapahan-kevitra noraisina avy amin'ny alalan'ny tombam-bidy nataon'ny orinasa 2 samihafa mahaleo tena, vita fihanianana, ary mifanojo ihany koa amin'ny teti-bidy fakana hetra napetraky ny ministeran'ny vola sy teti-bola. Misy ihany koa ireo tany manodidina izay amidy, no mitovitovy tomba-bidy amin'ity tany ity.

Tsy tany maina akory ny toerana, fa efa nohajariana, nasiana fefy, nasiana aro riaka, sy rarivato amin'ny halavany sy sakany maro ho fiarovana ny fihotsahan'ny tany.

Publié dans Vaovao

Nihemotra ho eo amin’ny laharana faha-105 manerantany i Madagasikara, araka ny fandaharana navoakan'ny Federasiona iraisam-pirenena ny baolina kitra, na FIFA, ny 23 jona 2022.

Teo amin’ny laharana faha-102 talohan'izao, niatrehana ireo lalao roa fifanintsanana CAN.

 

Publié dans Sport

Taorian’ny asam-baomiera natao nanomboka ny 22 jona, ary nitohy ny 23 jona tontolo andro, dia niroso tamin’ny fivoriambe fandraisana fanapahan-kevitra ny Solombavambahoaka teo amin’ny Antenimieram-pirenena, koa lany tsy nasiam-panitsiana sy tsy nasiam-panovana ny volavolan-dalàna laharana faha-004/2022 momba ny lalàna mifehy ny fitantanam-bolam-panjakana nasiam-panitsiana ho amin’ny taona 2022.

Isan’ny tonga nifidy : 87
Isan’ny nandany ny lalàna : 87

 

Publié dans Politique