Teti-bola nasiam-panitsiana 2022 - Projet LFR 2022 : Mahatratra 16 139.65 miliara ar ny ambin'ny trosa ivelany tsy voaloa
Mitana ny lohalaharana amin'ny trosa mbola tsy voaloan'i Madagasikara any ivelany, ny farany volana desambra 2021, ny an'i Association internationale de développement na IDA, rantsan'ny Banky iraisam-pirenena ho an'ny firenena faran'ny mahantra, 7 930.62 miliara ariary, manaraka azy ny an'i Fonds africain de développement (FAD) 2 210.97 miliara ariary, izay vao ny an'ireo Institutions Financières 1 287.98 miliara ariary.
Mitotaly 16 139.65 miliara ar (4 milliards de dollars) ny ambin'ny trosa ivelany tsy voaloa. Eo amin'ny 600 000ar isam-batan'olona, hatramin'ny zaza vao teraka, amin'ny Malagasy 27 tapitrisa.
Fitsarana : Nalefa nody ireo ahiana nangalatra solika Jirama
Ny 16 martsa 2022 sy ny 17 aprily 2022, dia nisy fampiasana antota-taratasy sandoka nakana solika ny orinasa iray, izay vadina Solombavam-bahoaka.
64 000l ny gazoala voalaza fa nahodina sy nangalarina, fantatra ny orinasa naka ny entana, fantatra ny mpamily ny fiarabe naka ny solika, ary nanamafy ny orinasa etsy Ambohimanambola, izay mamokatra herinaratra vatsiana ireto solika ireto, fa tsy naharay ny entana izy ireo.
Misy camera rahateo ny toerana, azo anamarinana ny fivezivezen'ny kamio mpanatitra solika.
Nanao fanadihadiana anaty ny Jirama, ka somary naharitra vao nametraka fitoriana.
Natao ny fanadihadiana, ka olona valo no voarohirohy, nalefa teny anivon'ny fampanohavana ny alatsinainy 20 jona 2022 ny raharaha, niaraka tamin'ireo voampanga.
Conseil National de la Vanille (CNV) : La protection des planteurs comme priorité
C'est en toute transparence que le Ministre Edgard Razafindravahy s'est expliqué sur le Conseil National de la Vanille (CNV) et a présenté les nouveaux membres du Conseil d'Administration du CNV.
Que ce soit à Sambava et Antalaha ce lundi 20 juin 2022, ou encore à Maroantsetra hier mardi 21 juin 2022, le Ministre de l'Industrialisation, du Commerce et de la Consommation (MICC) a confirmé que les membres du CNV ont été renouvelés pour coordonner et désencombrer la filière.
Une démarche basée sur le décret n° 2021-548 du 19 mai 2021.
Le Président de la République a promis de protéger les planteurs et de structurer la filière vanille, de la base à l'exportation, et un flux monétaire stable au sein de la filière pour sa pérennisation et pour l’économie du pays.
Banky iraisam-pirenena : Mpitady vola fa tsy mpanao asa soa
Tsy miafina izy fa isika no te hanapi-maso.
Ny antsoina hoe Banky, dia Orinasa mpitady vola amin'ny alalan'ny fampiasam-bola sy fampindramam-bola.
Tsy mpanao asa soa izy izany, tsy mpamatsy vola fa mpampindram-bola misy zana-bola sy anto-bola.
Ka raha miteny izy hoe, tsy averina ny atsasaky ny vola nampindraminy, na avadika hoe, ny atsasany atao trosa, ny atsasany fanomezana, dia fomba fiteny fahita ara-barotra izany.