Filtrer les éléments par date : mardi, 21 juin 2022

Mitentina 630.6 miliara ariary ny ampahan-trosa aloha any ivelany ity taona 2022 ity, ka 438.1 miliara ny renivola, ary 192.5 miliara ariary ny zana-bola.

273.9 miliara ariary kosa ny ampahan-trosa aloa eto an-toerana, ka tombanana ho 9.0% eo ny zana-bola tataovana ny renivola.

 

Publié dans Tselatra

Noraisin’ny Praiminisitra Ntsay Christian teny amin’ny Lapam-panjakana Mahazoarivo ny alatsinainy 20 jona hariva ny solontena avy amin’ireo Solombavambahoakan’i Madagasikara, niara-nidinika momba ny fikasan’izy ireo hanatsara ny fandriam-pahalemana manerana ny Nosy.

Araka ny fanazavàna nentin’ireto solontena ireto dia heverina fa manampy amin’ny fifehezana ny fandriam-pahalemana ny fampiharana ny DINAn’ny Faritra.

Teo no nipoiran’ny hevitra hikatsahana ny tombontsoa iombonan’ny Malagasy rehetra, ka nitovian’ny fomba fijery, dia ny hamerenana ny fampiharana ny DINA manerana ny Faritra 23, araka ny fifanarahana nisy eo anivon’ny fokonolona eny ifotony sy tapaka teny anivon’ny fitsarana.

Publié dans Sociale

21 juin : Journée internationale de la girafe.

 

Publié dans Fil info

21 juin : Journée internationale de la lenteur.

Publié dans Fil info

21 juin : Journée mondiale de la moto.

 

Publié dans Fil info
mardi, 21 juin 2022 15:28

21 juin : Journée Mondiale du yoga

21 juin : Journée Mondiale du yoga.

 

Publié dans Fil info

Miverina indray ny zotra anabakabaka mampitohy an’Antananarivo Madagasikara sy Istanbul Torkia, izay sahanin'ny kaompania Turkish Airlines, rehefa niato nandritra ny roa taona noho ny valanaretina Covid-19.

Mpandeha 73 no nentiny nigadona teny Ivato ny sabotsy 18 jona, raha 33 ireo nandray fiaingana tamin’ny sidina niverina.

(Jereo Sary Tohiny)

Publié dans Economie

Raha nitentina 380 miliara ariary ny fanampiana nomena ny Jirama amin'ny teti-bola 2022, dia kasaina hakarina + 120 miliara ariary, ka hitentina 500 miliara ariary izany amin'ity volavolan-dalàna fanitsiana ny teti-bola taona 2022 ity.

Ao anatin'izany ny fandaniana momba ny Fitantanana ny rano sy ny herinaratra.

 

Publié dans Tselatra
mardi, 21 juin 2022 08:16

Vanille

Vanille

Publié dans Economie

Namoaka didy ny Prefektoran'Antananarivo manambara fa manomboka ny Alatsinainy 20 Jona 2022 dia ahitsy toy izao manaraka izao ny isan'ny toerana ao anatin'ireo fiara fitateram-bahoaka eto Analamanga araka ny karazany avy, ka 5x5 ho an'ny sprinter sy ny mitovy aminy, ary 4x4 ho an'ireo minibus.

Tsy maintsy manao aro vava sy orona ny olona rehetra ao anaty fiara.

Hamafisina hatrany ny fanajana ireo fepetra sakana rehetra tsy hiparitahan'ny valan'aretina Covid-19.

 

Publié dans Tselatra
Page 1 sur 2