Fanabeazam-pirenena : Hanomboka 5 septambra 2022 ny taom-pianarana 2022-2023
Nankatoavina nandritra ny filankevitry ny minisitra, natao ny alarobia 1 jiona 2022, ny tetiandro natolotry ny Minisitera ho an’ny taom-pianarana 2022-2023.
Tapaka fa hanomboka 5 septambra 2022 izany taom-pianarana izany, ary hifarana ny 23 jona 2023, ka haharitra 36 herinandro, izay hitsinjara vanim-potoana na “période” miisa dimy (05).
Araka ny tolo-kevitry ny Ministera hatrany dia ho tanterahina ny 20 jona 2023 ny fanadinana CEPE, ary ny BEPC kosa dia hatao amin’ny 03, 04, 05 ary 06 jolay 2023.
2 juin : Journée Mondiale pour un Tourisme Responsable et Respectueux
2 juin : Journée Mondiale pour un Tourisme Responsable et Respectueux.
Ady amin’ny Covid-19 : Tsy maintsy hajaina ny fanaovana aro-vava any anatin’ny fitateram-bahoaka
Nohamafisina nandritra ny filankevitry ny minisitra omaly fa Tsy maintsy hajaina ny fanaovana ny aro-vava sy ny fampiharana ireo fepetra sakana amin’ireo toerana mihidy, ka misy olona 200 na mihoatra, ary koa any anatin’ny fitateram-bahoaka (taxi be, taxi brousse, fiaramanidina).
Tsy terena intsony kosa ny fanaovana aro-vava amin’ireo hetsika rehetra atao an-kalamanjana.
Fitrandrahana volamena : Nanangana Vaomiera mpanadihady ny Solombavambahoaka
Nandany ny fananganana ny Vaomiera mpanadihady momba ny fitrandrahana volamena eto Madagasikara ny Solombavambahoaka ny talata 31 mey 2022 tamin’ny alalan’ny tolo-pehikevitra natolotry ny Solombavambahoaka Mohamad Ahmad, voafidy tao Fenoarivo Atsinanana.
Araka ny fanazavana nomen’ity farany dia fomba iray entina hisorohana ny fanondranana tsy ara-dalàna ity fanadihadiana ity. Nambarany ihany koa fa raha voafehy ity sehatra volamena ity dia tsy tokony hindram-bola any ivelany akory i Madagasikara.