Filtrer les éléments par date : vendredi, 17 juin 2022

Tapakandreo koa fa mandoa 4$usd/kg la vanille efa lafo 2021 sy 2022, izay tsy mandoa tsy mahazo renouvellement agrément eky.

Tsy maintsy mandoa cotisation olo jiaby sinon tsy mahazo agrément, tsy maintsy membre CNV zany, association d'utilité publique, izay antsasaky ny gouvernement membre ao zany.

Article 9
Le Conseil d’Administration du Conseil National de la Vanille est l’organe souverain chargé d’administrer le CNV.
En tant qu’organe délibérant, il définit, en dernier ressort, les orientations à suivre en matière de stratégies et actions à mettre en œuvre par le CNV.

Publié dans Economie

Nirohitra eny amin'ny fonja hiazonana vonjy maika an'i Ninie Donia ireo fokonolona ao Nosy be, mitaky ny famotsorana azy.

Nambaran'izy ireo fa miaro ireo vahoaka mahakasika ny taniny ity mpanakanto malaza mpanjakavavin'ny salegy ity.

(Jereo Sary Tohiny)

 

Publié dans Tselatra

Vita ny alarobia 15 jona 2022 ny fiaraha-midinika ny fampidirana ireo mpiasan'ny Oniversité, na ny PAT, amin'ny fandoava-karam-panjakana amin'ny teti-bola ankapobeny, na ny budgét général, fa tsy eny anivon'ny oniversité intsony.

Ny tale jeneraly DGFAG sy ny Sekretera jeneralin'ny ministeran'ny Fampianarana Ambony sy ny Fikarohana Ara-tsiansa no nanokatra ny atrik'asa, izay narahana fanazavana ara-tekinika mahakasika ity fanovana mandeha any amin'ny teti-bola ankapobeny ity.

Oniversité 6, IST miisa 3 ary ny CROUA moa no nanombohana azy ity, ary mitohy amin'ireo sekoly ambony hafa miankina amin'ny fanjakana.

Efa tafiditra anatin'ny teti-bola nasiam-panitsiana ity taona ity moa izany fanovana izany.
Hiditra amin'ny filan-kevitry ny minisitra ny zoma 24 jona ho avy izao ny didim-panjakana mahakasika izany.

Ho hisy ny toerana tokana na guichet unique hikarakarana ny taratasy anafainganana izany, izay ho ambara tsy ho ela ny daty fandaminana azy.

Publié dans Vaovao

Milanja sora-baventy manoloana ny ministeran'ny fahasalamam-bahoaka etsy Ambohidahy, mitaky ny tambi-karamany, ireo mpianatra ho mpitsabo interne 7ème, 8ème année.

(Jereo Sary Tohiny)

Publié dans Tselatra

Miazakazaka ny toe-draharaha ankehitriny, ary mihenjan-droa ny tady.

Etsy an-kilany, ireo tantsaha mpamboly lavanila Malagasy, miaraka amin'ireo mpanangom-bokatra na préparateurs collecteurs ary ireo Mpanondrana lavanila ela nihetezana amin'ity sehatr'asa ity, manoloana ireo Vahiny miaraka amin'ny Malagasy vitsivitsy mampiasa ny herin'ny vola sy fahefam-panjakana, satria akaiky mpitondra, ka te hibodo irery ny fihariana lavanila.

Araky ny lalàna velona dia malalaka ny tsena sy ny fihariana lavanila, ny tolotra sy ny tinady no mamaritra ny vidin-davanila. Mahazo miantsehatra avokoa ny rehetra rehefa mahafeno ny fepetra mahakasika ny asa lavanila.

Publié dans Editorial

Tsy niherina akory ny andro taorian'ny fikaonandoham-pirenena momba ny fananantany dia Malagasy folo mahery no notazomina vonjimaika am-ponja ao Nosy Be, noho ny resaka tany.

Anisan'ireo i Ninie Donia, ity farany izay mijoro miaro ireo Malagasy mitaraina ho voahilikilika amin’ny taniny.

 

Publié dans Tselatra