Filtrer les éléments par date : mercredi, 15 juin 2022

Mitohy hatrany ny daroka bomba ataon'ny Rosianina an'i Ukraine.

Ao amin'ny tanàna Severodonetsk Donbass no misy ny fifandonana ankehitriny.

Nanaiky ny hanisy lalana ivoahan'ireo sivily taraiky ao amin'ny Ozinina simika ao Severodonetsk ny Rosianina.
Vaky taraina anefa ny filoha Okrenianina fa ny 10% n'ny fitaovam-piadiana nampanantenain'ny tandrefana ao amin'ny OTAN ihany no tonga hatreto.

Maro koa anefa no nopotehan'ny Rosianina ireo famatsiana fitaovam-piadiana ireo.
Nilaza moa ny Sekretera jeneralin'ny OTAN, fa mila miandry kely ny Okrenianina fa tsy mora ny manova ny fitaovam-piadiana okrenianina, izay fitaovam-piadiana rosianina avokoa, ho any amin'ny teknolojia tandrefana.

Publié dans Vaovao
mercredi, 15 juin 2022 15:44

Andaboly AMBOVOMBE ANDROY

Andaboly AMBOVOMBE ANDROY

(Jereo Sary Tohiny)

Publié dans Sport

Ho fararanon-danonana ao Ambovombe Androy amin’ity herinandro ity. Fotodrafitrasa maromaro no indray hotokanana ny zoma 17 jiona ho avy izao, dia ny Kianja manarapenitra Andaboly, ny lalana rarivato ao Beabo, ny birao vaovaon’ny Fitaleavam-paritry ny Asam-panjakana, ny asa ary ny raharaha sosialy ao Mangarivotra, ny lisea manarapenitra ao Ambaro.

Hanamarika io andro io ihany koa ny lanonana ofisialy ho fanombohana ny fanamboarana ny lalam-pirenena faha-13.

Hitarika izany any an-toerana ny filoham-pirenena Andry Rajoelina.

(Jereo Sary Tohiny)

Publié dans Politique

Nanomboka efa herinandro lasa izao ny fotoam-pamokarana siramamy ho an’ny orinasa SUCOMA Ambilobe. Vinavinaina hahatratra 60 000 taonina ny vokatra amin’ity taom-pamokarana 2022-2023 ity.

Tsy misy atahorana araka izany ny famatsiana ny tsena, na dia teo aza ny fanafoanana ny fanondranana siramamy nataon’ny firenena indiana.

Tsy miova kosa ny vidiny anatin’ny fanajana ny fepetra famerana ny vidy farany ambony noraisin’ny fitondram-panjakana.

(Jereo Sary Tohiny)

Publié dans Economie

15 juin : Journée mondiale de lutte contre la maltraitance des personnes âgées.

 

Publié dans Fil info

Tsy misy andro iray tatoato tsy ahenoana ny mety fiakaran'ny vidi-tsolika, vokatry ny zava-misy maneran-tany, sy ny zava-misy eto an-toerana.

Ny Filoham-pirenena aza dia efa nampilaza ny mety ho fiakaran'izany vidi-tsolika izany, raha nikabary nampiakatra ny karama farany ambany ho 250 000ar izy.

Raha ny nambaran'ny Minisitry ny Angovo sy ny Akoran'afo, Andry RAMAROSON, tanatin'ny fandaharana fahitalavitra rahavavy, dia misy fanadiovana atao, satria maro ireo fandaniana tsy eken'ny fanjakana ny andoa azy, noho ny antony tsy mazava ny nalehan'ireo solika ami-tapitrisany litatra, sy fakitira tsy tokony alohan'ny fanjakana.

Maro ihany koa ireo hetra sy haba mbola tsy naloan'ireo mpaninjara solika ho an'ny fanjakana hoy ihany ny minisitra Andry RAMAROSON.

Publié dans Editorial