Filtrer les éléments par date : dimanche, 12 juin 2022

Tamin'ny fomba ofisialy no nanambarana fa nisokatra tamin'ny Alatsinainy 06 jona 2022 ny taom-piotazana lojy fotsy any amin’ny Faritra Boeny, araka ny didim-pitondrana laharana faha 012-22/REG-BN/GOUV, natao ny 7 Jona 2022.

Efa maromaro amin'izao ireo mpanangona sy mpanondrana lojy fotsy, efa niroso tamin'ny fikarakarana ireo antontan-taratasy ilaina amin'izany eny anivon'ny fitaleavam-paritry ny Fampiroboroboana ny Indostria, ny Varotra sy ny Fanjifana Boeny.

Marihina fa miisa 29 ireo mpanondrana lojy fotsy nahazo fahazoan-dalana tamin'ny taom-piotazana 2021, raha 11 ireo mpanangom-bokatra nahazo kara-panondro maha-matihanina.

(Jereo Sary Tohiny)

 

Publié dans Economie
dimanche, 12 juin 2022 17:12

No Comment

No Comment

Publié dans Tselatra

Notanterahina ny Alarobia 08 Jona ka hatramin'ny zoma 10 jona 2022 teny amin’ny CCI Ivato ny Fikaonandoha Nasionaly ho famahana ny olan'ny fananan-tany eto Madagasikara.

Ho fanatanterahana ny dingana faharoan’ny politikan’ny fananan-tany 2015-2030 sy ho fametrahana ny dingana faharoan’ny fandaharan’asa nasionaly mikasika ny fananan-tany ho an’ny 5 taona manaraka izy ity.

Tonga nanokatra tamin’ny fomba ofisialy izany fikaonandoha izany ny Filoham-pirenena, Andry Nirina Rajoelina. « Ny fanadiovana ny sehatry ny fananan-tany dia tsy ananana namana, tsy ananana havana, tsy atahorana na iza na iza, fa tsy maintsy ravana ireo tambazotra mpaka tanin’olona eto amin’ny Nosy », hoy ity farany.

Nanamafy ny filoha fa « mila fanavaozana ny fitantanana ny sehatry ny fananan-tany. Mila Fitsarana mangarahara sy manakaiky Vahoaka isika hahatrarana izany ».

Publié dans Vaovao

Nankatoavin'ny Solombavambahoaka tao Tsimbazaza ny Talata 7 jona 2022 ny volavolan-dalàna mikasika ny findramam-bola amin'ny Banky afrikana momba ny fampandrosoana, na BAD, ahafahan'ny Fanjakana malagasy hanana petrabola ao anatin'ilay orinasa NEHO, izay manatanteraka ity tetikasa ity.

Nitondra fanazavana nanoloana ireo solombavambahoaka ny minisitry ny angovo, Andry Ramaroson, fa ny tetikasa Sahofika dia tetikasa fananganana tohodrano lehibe hamokarana herinaratra ao Anosibe an'Ala.

Mivaika 192MW izany, ary hanome herinaratra 1650GWh.
Tsiahivina fa 1500GWh no novokarin'ny Jirama ny taona 2018.

Publié dans Economie

Notontosaina tetsy amin'ny kianjan'ny Elgeco Plus Stadium By-Pass, ny Alakamisy 09 Jona 2022, ny lalao ara-pirahalahiana, izay nifanandrinan'ny Barea U23 sy ny Club M ekipam-pirenenan'i Maorisy.

Nandresy tamin'ny isa 02 no 01 ny Barea an'i Madagasikara nandritra ny lalao voalohany ho fanomanana ny fifanitsanana CAN 2023, sokajy U23, sy ny Lalao Olimpika 2024.

Notantehina ny sabotsy 11 jiona tao amin’ny Kianja Barea Mahamasina ny lalao faharoa nifandonan'ny ekipa roa tonta.
Nisaraka tamin'ny ady sahala 1 no 1 ny roa tonta.

(Jereo Sary Tohiny)

Publié dans Sport

Nodorana ny Sabotsy 11 jona 2022 ireo rongony mahery vaika "Cocaïne de base" 18 lasaka saron'ny Ladoany Malagasy ny volana novambra 2021 teto Toamasina.

Avy any ivelany izy io ka nampandalovina tao Toamasina mba ho alefa any ivelany indray.

Nodorana avy hatrany ireto rongony ireto, rehefa vita ny famotorana sy pitsopitsony ara-pitsarana sy fisavana nataon'ireo alika mpitsongo dia.

(Jereo Sary Tohiny)

Publié dans Vaovao

Nampanantsoin'ny BIANCO (Bureau Indépendant Anti-corruption ) ny Mpandrindra Nasionalin'ny antoko HVM, Rakotovao Rivo, noho ny raharaha kolikoly, fanodinkodinana volam-bahoaka ary fanararaotam-pahefana mahavoarohirohy tompon'andraikitra tao amin'ny Antenimierandoholona tamin’ny taona 2019.

Hamaly ny fampiantsoan'ny BIANCO izahay, araka ny soatoavina ijoroan'ny atoko amin'ny Fanajana ny tany tan-dalàna, sy amin'ny maha olom-pirenena azy, hoy ny fanambaràna nataon'ny antoko.

Manoloana izany anefa dia mametra-panontaniana ny antoko HVM manoloana ny tranga misy, satria maninona no amin'izao volana jiona izao ny fampiantsoana no atao, raha toa ka efa tamin'ny volana martsa ny daty voalazan'ny taratasy fampiatsoana?

Publié dans Politique