Filtrer les éléments par date : lundi, 09 mai 2022

Nisy ny fihaonan'ny birao nasionaly sy ireo sampana SECES niaraka tamin'ny Minisitry ny fampianarana ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa sy ireo mpiara-miasa aminy. Naharitra adiny roa latsaka kely izany tao amin’ny ministera ao Fiadanana.

Nibahana tao anatin'ny fifanakalozana ny fitadiavana vahaolana momba ny tolo-dalàna mamaritra ny fizakan-tenan'ny oniversite sy ireo ivontoeram-pikarohana miankina amin'ny fanjakana.

Voafaritra mazava ao amin'ny andininy faha 95 I-14° ao amin'ny Lalampanorenana ny fizakantenan'ireo oniversite, ary ny lalàna no hametrahana izany.

Mizara telo mazava io fizakan-tena sy fahalalahan'ny oniversite io (ara-siantifika sy pedagojika, aram-pitantanana ankapobeny, ary ny fitantananam-bola).

Publié dans Politique