Ny teny hoe "Fanampiana" no niverimberina indrindra tamin'ity fitondrana ity
Miandrandra "Fanampiana" avy any ivelany, mba ahafahana manome "Fanampiana" ireo traboina, ireo mpampianatra Fram, ireo mpanao fanatanjahantena, ireo mahantra vokatry ny Covid-19.
Fanampiana ny teti-bolam-panjakana avy amin'ireo "MPAMATSY" vola (aide budgétaire)
Fanampiana ho an'ny Jirama sy mpamatsy solika, tafiakatra 1 miliara ariary latsaka.
Fanampiana ireo kaominina sy Fokontany (Subvention).
Fanampiana ireo mpitandro ny filaminana.
Seranan-tsambo Toamasina : Miandry eny afovoan-dranomasina i POH FANG SINGAPORE mitondra vary, lafarinina, menaka
Efa 3 herinandro izao ny sambo lehibe POH FANG SINGAPORE, mitondra vary, lafarinina, menaka sy entana ilaina amin'ny andavan'andro no miandry ery afovoan-dranomasina ao Toamasina.
Raha ny fanazavana azo, dia ny fampidinana ny vary mora no tsy maintsy alefa aloha, nefa tsy ampy ny Quais fampidirana ny sambo, ka izay indrindra no anton'ny fanitarana ny seranana ankehitriny.
Misy quai manokana kosa ny an'ny simenitra Holcim, ny an'i LMOI mpamokatra lafarinina, ary ny an'i HITA mpamokatra menaka.
Voatery miandry, misy efa ho 1 volana izany ireo sambo hafa mitondra entana avy any ivelany.
Ireo seranan-tsambo hafa toa an'i Mahajanga dia sarotra ampidinana entana satria eny afovoan-dranomasina ny fiantsonana, fa tsy manana quai.
Ny any Antsiranana, tsy misy fibatana entana conteneur ny Port, fa dia taterina mivoaka andamosin'olom-belona, raha tsy manana grue azy manokana ny sambo.
5 mai : Journée mondiale de la langue portugaise
5 mai : Journée mondiale de la langue portugaise.
5 mai : Journée mondiale de l'hygiène des mains
5 mai : Journée mondiale de l'hygiène des mains.
5 mai : Journée Mondiale de la Sage-Femme
5 mai : Journée Mondiale de la Sage-Femme.
5 mai : Journée du Patrimoine mondial Africain
5 mai : Journée du Patrimoine mondial Africain.