Hafatra voaray avy amina Profesora iray entina dinihina alohan'ny atory
"Dia gaga re aho amin'ity firenena ity :
Raha azoko izany dia rehefa mianatra ianao dia kely ny fiakaran'ny karamanao. 14 taona aho no afaka bacc, nianatra 21 taona aho taorian'ny Bacc, ary manohy mianatra hatrany na dia efa Profesora aza.
Voasazy izany ny tena eh".
Tafandria mandry.
Patrick
3 mai : Journée Mondiale de l'asthme
3 mai : Journée Mondiale de l'asthme.
3 mai : Journée Mondiale de la liberté de la presse
3 mai : Journée Mondiale de la liberté de la presse.
Parlemanta : Nisokatra androany ny fivoriana ara-potoana voalohan’ny taona 2022
Araka ny Andininy faha-75 amin’ny Lalàmpanorenana, sy ny andininy faha 84-n'ny Lalàmpanorenana dia mivory ara-potoana in-droa isan-taona ny Antenimieram-pirenena sy Antenimierandoholona, dia ny Talata voalohany ny volana may sy ny Talata fahatelo ny volana oktobra, ary enimpolo andro no faharetan'ny fotoam-pivoriana.
Arak'izany, nisokatra tamin'ny fomba ofisialy androany Talata 03 Mey 2022 ny fivoriana ara-potoana voalohan'ny Antenimiera roa tonta ho an'ny taona 2022.
Antsiranana : Nilahatra mandrakalina vatsim-pianarana ireo mpianatra
Taorian'ny fanaovan'ny PAOMA digitalisation dia omaly alina no efa niari-tory teto anoloan'ny Paositra ny mpianatra milahatra ny vatsim-pianarana izay omena androany talata 03 mai 2021.
Hatreto tsy mandeha ilay e-poketra nampanantenaina hanamora sy hanamarinana izay mpianatra tokony hisitraka ny vatsim-pianarana 30 000ar - 40 000ar isam-bolana, ka dia ny kara-panondro no entina hakana ny vola ao amin'ny Paositra.
Teo aloha moa dia ny Ministeran'ny Fampianarana ambony no mandefa ny vola any amin'ireo Oniversité, izay izy ireo no miandraikitra ny fitsinjarana izany vatsim-pianarana izany. Ankehitriny, dia ny ministeran'ny vola no mandray ny torimariky ny Ministeran'ny fampianarana, dia ny ministeran'ny vola no mandefa izany mivatana amin'ny Paoma, izay mitsinjara izany amin'ireo mpianatra.
(Jereo Sary Tohiny)