Pharmalagasy : Hamokatra sy hitsinjara ireo fanafody voka-pikarohan'ny CNARP
Andry Rajoelina : Niazo an’i Emirats Arabes Unis namonjy Fihaonam-be iraisam-pirenena mifandraika amin'ny toekarena nomerika
Nihazo an’i Emirats Arabes Unis ny Filohan’ny Repoblika Andry Rajoelina taorian'ny Filankevitry ny Minisitra, izay notanterahina teny amin'ny Lapam-panjakana Iavoloha ny alarobia 25 mey 2022.
Anisan'ireo vahiny manan-kaja voaasa manokana handray anjara amin'ny Fihaonam-be iraisam-pirenena, arahina fampiratiana ireo haitao ara-kajy mirindra, mifandraika amin'ny toekarena nomerika, izay hotanterahina any an-toerana ny Filoha Malagasy.
Tafiditra ao anatin'ny fandaharam-potoanany ihany koa ny fifampidinihana amin'ireo mpandraharaha ara-toekarena maro avy amin'ny sehatra samihafa.
Fandikan-dalàna fadintseranana : Voaheloka higadra 5 taona an-tranomaizina sy handoa onitra 27 miliara Ariary ilay mpandraharaha Mbola Rajaonah
Vita androany maraina teny amin’ny Pôle anti corruption na Fitsarana manokana miady amin’ny kolikoly etsy amin’ny 67ha, ny fitsarana an’i Mbola Rajaonah, mpandraharaha sady mpanolontsaina manokan’ny filoha teo aloha Hery Rajaonarimampianina, rehefa notanana am-ponja vonjimaika nandritra ny telo taona mahery.