Foara FIM : Nisokatra etsy Tanjombato ny andiany faha-16
Nisokatra omaly ny alakamisy 19 mey 2022, eo amin’ny Forello Tanjombato ny Foara iraisam-pirenena eto Madagasikara (FIM). Andiany faha-16 ny amin'ity taona ity.
« Asehonareo amin'izao hetsika ara-toekarena lehibe izao fa vonona ianareo hiatrika ny fanarenana », hoy ny Minisitra Edgard Razafindravahy nanoloana ny mpikarakara sy ny mpandray anjara, raha nanokatra tamin’ny fomba ofisialy ny FIM andiany faha-16 izy.
Navoitrany tamin’izany ny fahavononan'ny Ministeran'ny Fampiroboroboana ny Indostria, ny Varotra sy ny Fanjifana (MICC) manokana amin'ny fijerena sy fanampiana ny sehatra tsy miankina.
Natomboka ny Dinika niarahan'ny Fanjakana sy ny Sehatra tsy miankina nikatsahana vahaolana amin'ireo toe-javatra mampihisatra ny fandraharahana sy ny fampiasam-bola, toy ny olana ara-angovo, ny famatsiam-bola, ny ady amin'ny kolikoly, lafiny lalàna.
Oniversitem-panjakana : Hivoaka alohan'ny faha 25 ny volana ny karaman’ny PAT
Araka ny fanazavan'ny Talen’ny fitantanam-bola eo anivon’ny Ministeran’ny Fampianarana Ambony sy ny Fikarohana Ara-tsiansa, Rajaonarivelo Brysola, dia efa nisitraka karama volana aprily ireo izay mandray amin'ny alalan'ny "bon de caisse", fa ho an'ireo "virement bancaire" kosa dia misy ny efa ao anaty kaonty (positionné), ny sasany indray mbola miandry izany ho hita ao anaty kaonty, arakaraky ny bankin'ny tsirairay izany.
Hivoaka alohan' ny faha 25 ny volana, hoy izy, ny karaman’ny PAT, ho an'ny oniversite rehetra izay nahafeno ny dingana tokony harahina amin'izany.
Ho an'ny Oniversiten'Antananarivo manokana dia tsy mbola nandefa ny antonta-taratasy rehetra ilaina amin'izany ka ahiana ny hisian'ny fahataran’ny fandoavana ny karaman’ny mpandraharaha.