Filtrer les éléments par date : lundi, 02 mai 2022

Tonga aty Toliara ny Minisitra mpiahy ny Faritanin'i Toliara, TINOKA Roberto, nanolotra fanampiana ho an'ireo traboina noho ny rivodoza JASMINE tamin’ireo Kaominina manodidina an'i Toliara toa an'i Betsinjaky sy Miary.

Niarahan'ny minisitra TINOKA Roberto sy ny Sekreteram-panjakana misahana ny Tanàna Vaovao sy Toeram-ponenana Gérard Andriamanohisoa tamin’ny ekipan'ny BNGRC.

Maro ireo vahoaka tonga nanotrona sy nankasitraka izao fijerena manokana ireo olona sahirana izao.

(Jereo Sary Tohiny)

Publié dans Vaovao

Nanatanteraka fanadiovana faobe ny teto an-tampony tanànan'i Toliara, androany Alatsinainy 2 May. Nitarika izany ny Minisitra TINOKA Roberto, izay Minisitra mpiahy ny Faritanin'i Toliara sy ireo tompon'andraikitra isan-tsokajiny aty an-toerana.

Haharitra telo andro ny fanadiovana, ary olona miisa 1 000 no nirotsaka an-tsitrapo naneho firaisankina ho fanatsarana ny tanànan'i Toliara vokatry ny fandalovan'ny rivodoza Jasmine.

Nandray anjara mavitrika amin'izany ireo mpikambana ao amin'ny antoko TGV, nifanome tanana amin'ny asa fanadiovana.

(Jereo Sary Tohiny)

Publié dans Tselatra

(Somary lavalava sy teknika fa vakiana miadana, ary misy ohatra maromaro)

Ny mpiasa rehetra na Malagasy na vahiny, na mpiasam-panjakana na mpiasa tsy miankina dia mandoa hetra amin'ny fanjakana avokoa, izay alàna any am-potony amin'ny karama. Ka ny mpampiasa no manefa izany any amin'ny sampan-draharahan'ny hetra.


Io no antsoina hoe HETRA AMIN’NY KARAMA SY NY TOA AZY na
impôt sur les revenus salariaux et assimilés na IRSA.

Tsara ho fantatra :
Ny karama faran'ny ambany dia efa feran'ny fanjakana SME, salaire minimum d'embauche.
Raha ny SME farany dia 200 000ar, izay vao nampiakarina 250 000ar, izay mbola tsy mihatra.

Publié dans Editorial