Filtrer les éléments par date : jeudi, 19 mai 2022

Nankatoavina sy nomena alalana nandritra ny Filankevitry ny Minisitra natao ny 18 May 2022 ny fanorenana kianja mitafo mahazaka olona 4 000 isa ao Mahajanga. Eo amin'ny ampahan'ny arabe anelanelan'ny toeram-panorenana sy ny lycée Philibert TSIRANANA no hisy izany.

Nankatoavina ihany koa ny fanomezana ireo fotodrafitrasa fanorenana ho an'ny fikambanana "Tennis Club de Mahajanga" na TCM.

Hiantoka ny fiarovana ny toeram-panorenana, sy ny fanomezana an'ny TCM ireo kianja fanaovana tenisy vaovao sy ny trano vaovao io ny fitondram-panjakana.

Ny kianja mitafo ahitana toerana 4 000 isa, eo amin'ilay ampahan-dalana voakasiky ny tetikasa dia mifanaraka amin'ny drafitra nohamarinin'ny mpitantana ny tetikasa sy ny fankatoavana azy vonjimaika.

 

Publié dans Vaovao

Nanolotra solosaina ho an'ireo Fokontany ao amin'ny Boriboritany Faha II Antananarivo Renivohitra, ary koa fitaovana maro samihafa, toy ny "imprimantes" sy "onduleur" ny solombavambahoaka voafidy tao Antananarivo II, Lanto Rakotomanga.

Nambaran’ity farany fa anisany lesoka mampitarazoka ny asa eny anivon'ny Fokontany sy ny sampandraharaha maro isan-karazany ny tsy fisian'ny solosaina.

Anisany nisitraka fampitaovana ihany koa ny "Commissariat de police" ary Distrika ao amin’ny Boriboritany Faha II, hanamoràna sy hanafainganana ny asan'izy ireo.

“Isika tsy maintsy mifanampy sy mitsinjo hatrany ny Vahoaka”, hoy i Lanto Rakotomanga.

(Jereo Sary Tohiny)

Publié dans Vaovao