Filtrer les éléments par date : lundi, 16 mai 2022

Niakatra tao Ankilizato tampon-tanàna ny valala ny alahady 15 mey 2022.

Manao antso avo amin'ny fitondram-panjakana, indrindra ny ministera voakasika, ny solombavambahoaka Razafindrazalia Yvonne, voafidy tao Mahabo, Faritra Menabe, manoloana izany, fa mijaly ny vahoaka amin'ny fambolena vary.

 

Publié dans Tselatra

Nitsidika ny orinasa madinika famokarana siramamy na « Mini-sucrerie » ao Antanamifafy, Kaominina Ambalakida, Distrika Mahajanga II, Faritra Boeny, ny Ministry ny Fampiroborobona ny Indostria, ny Varotra ary ny Fanjifana, Razafindravahy Edgard, ny 14 May 2022 mialoha ny tena hihodinan’ny orinasa ofisialy.

Efa aman-taonany ity orinasa ity no natsangana, kanefa izao vao manao andrana famokarana, ka isaorana tanteraka hoy ny minisitra ireo rehetra nitàna azy ity ho tonga amin’izao dingana izao.

Famatsiam-bola avy amin’ny Vondrona eropeana sy fiaraha-miasa tamin’ny ONUDI (Organisation des Nations Unies pour le Développement Industriel) no nahazoana ity orinasa kely mamokatra siramamy ity, ary ny orinasa Apolo International, avy any Inde, no mpamatsy ny fitaovana sy ireo milina rehetra ao anatiny.

Publié dans Economie

Mbola eo ny valanaretina Covid-19, ary Faritra efatra no mbola ahitana tranga, dia Analamanga, Itasy, Amoron’i Mania, DIANA, Atsinanana ary Atsimo Atsinanana, fa Analamanga no betsaka amin’ireo. Tsy nisy kosa ny aina nafoy tamin’iny herinandro farany iny.

(Jereo Sary Tohiny)

Publié dans Vaovao

« Le Secteur privé et le Secteur public maintiennent leur engagement pour l’Industrialisation de Madagascar ». C’est le message du Ministre de l’Industrialisation, du Commerce et de la Consommation, Edgard Razafindravahy lors de la clôture du Dialogue Public Privé à la Chambre de Commerce et d’Industrie Antananarivo ce 13 mai 2022.

Après une première concertation générale et transversale le mois dernier, la poursuite du Dialogue Public Privé ayant débuté ce mardi 10 mai s’est focalisée sur les filières comme les PPN, le Textile, Industrie d’Assemblage et Industrie Minière.

« Nombreuses sont les industries qui œuvrent dans ces secteurs, donc il est normal d’en parler, et chaque partie prenante a pris et respectera les engagements afin de renforcer le tissu industriel du pays pour être compétitif en termes de qualité et de quantité pour atteindre les objectifs », rajoute le Ministre Edgard Razafindravahy lors de son allocution.

Publié dans Economie

Araka ny Lalàna Fehizoro 2018-008 tamin'ny 11 Mey 2018 mikasika ny fitondrana ankapobeny ny fifidianana sy ny fitsapan-kevi-bahoaka dia faranana tanteraka ny 15 mey ny lisitry ny mpifidy.

Tamin’ny famaranana vonjimaika ny lisitry ny mpifidy isaky ny distrika ho fampiharana ny andininy faha-37 andalana faha-3 amin’io Lalàna Fehizoro 2018-008 tamin'ny 11 Mey 2018 io dia 10 712 981 ireo mpifidy misoratra ao amin'ny lisitry ny mpifidy, raha toa ka 10 512 419 izany nialoha ny 1 desambra 2021, izany hoe nahazoana taha-pitomboana 1.91% nandritra ny fisoratana anarana ny 01 desambra hatramin'ny 15 febroary lasa teo.

Tao anatin’ireo asa notanterahina dia mpifidy 380 601 no voarakitra tanatin’ireo boky ahitana ny mpifidy vaovao, izany hoe ireo vao feno 18 taona sy ireo mpiavy vao nifindra fonenana.

180 039 kosa no voarakitra tao amin’ireo boky ahitana ny mpifidy nesorina : ireo maty sy ireo very zo, araka ny didy raikitra, ary ireo mpifindra fonenana niala teny anivon’ny fokontany.

 

Publié dans Politique