Filtrer les éléments par date : mercredi, 11 mai 2022

Efa tamin'ny volana desambra 2020 no efa nanomana ny teo anivon'ny filan-kevim-pintantanan'ny Cnaps ny ananganana orinasa manokana CNAPS INVESTISSEMENT, izay akana alalana amin'ny ministeran'ny vola sy ny teti-bola.

Société Anonyme avec Conseil d'administration no endrika hijoroany, ka ny Tale jeneraly no hisolo tena izany orinasa ara-barotra vaovao izany.

Raha ny angom-baovao azo, dia mihoatra ny 3 ireo tompon'ny petra-bola amin'izany :

- Ny Fanjakana, izay ny Tale Jeneralin'ny Cnaps no misolo tena azy ;
- Miampy olona 3 hafa, izay ny Tale Jeneralin'i Cnaps ihany daholo no manendry azy.

Publié dans Politique

Nandritra ny diany tany Sahabe, Distrikan’Ambatondrazaka no nanamafisan’ny filoha Andry Rajoelina ny hanamboarana ny "autoroute" voalohany eto Madagasikara, izay hampitohy an'i Toamasina sy Antananarivo, ary mandalo ao Ambatondrazaka.

Tsiahivina fa ny 17 martsa 2019 no efa nanambaran’ny filoha Andry Rajoelina tao Toamasina, fa hatomboka afaka iray volana sy tapany ihany koa ny fanamboarana ny "autoroute" miainga ao Toamasina mipaka amin’ny lalampirenena mampitohy an’Antananarivo.

Nasiany resaka tao Ambatondrazaka ihany koa ny lalampirenena faha-44 mampitohy an’i Moramanga sy Ambatondrazaka. Mizotra ny asa fanamboarana ary “tsy maintsy ho vitaina hatramin’ny farany io lalana io», hoy izy.

(Jereo Sary Tohiny)

Publié dans Vaovao

Azo volena na aiza na aiza eto Madagasikara ny fary ilaina amin'ny famokarana "éthanol". Mampihena ny mety ho fandaniana amin'ny fitaterana izany raha mitaha amin'ireo karazan'angovo hafa toy ny solitany sy ny vokatra azo avy aminy.

Nanoloana an'Andriamatoa Boudaoui, solontenan'ny Fikambanan'ireo tany mpanondrana solitany (OPEC) eto Madagasikara sy ny ekipan'ny ONUDI no nanehoan'ny Minisitra Edgard Razafindravahy ny fahareseny lahatra amin'izany fomba fijery izany.

Tonga nanazava ny tetik'asa Middle East Green Initiative tao amin'ny biraony ao Ambohidahy ireto vahiny ireto ny Alatsinainy 9 Mey 2022.

Famatsiam-bola saodiana mitentina 35 tapitrisa dolara no hosoniavina eo amin'ny Fanjakana malagasy sy ny OPEC atsy ho atsy hanatanterahana ny tetik'asa.

Anisan'ny tanjona ny famerenana sy fiarovana ny ala, ary koa ny fampiasana araka ny tokony ho izy ny solika, ho fiarovana ny tontolo iainana.

Hatao tany filamatra anatanterahana ny tetik'asa i Madagasikara noho izy ahitana endrika fiovaovan'ny toetr'andro, ary ianjadian'ny voka-dratsy ateraky ny rivodoza.

 

Publié dans Economie

“Aza miady amin’ny fanasoavana ny kilonga. Raha misy tokony hampiray antsika dia ny taranaka Malagasy”, hoy ny minisitry ny Fanabeazam-pirenena Dr Marie Michelle Sahondrarimalala manoloana ny resabe taorian’ny famoahana an-tontanisa mampitaha ny sekoly niorina tamin’ireo fitondrana nisesy tany aloha, sy ny vitan’ny fitondrana ankehitriny, navoakan’ny filoha Andry Rajoelina.

Nilaza ramatoa minisitra fa “Ny isan’ny lycées publics manerana an’i Madagasikara no voalazan’ny Filohan’ny Repoblika ho 510, ary natsangana mandritra ny taona maro”.

Ankehitriny dia miezaka miroso amin’ny fanatsarana bebe kokoa amin’ny fametrahana lycée Manarapenitra manerana ny Nosy, mifanaraka amin’ny Fenitra takiana amin’ny kalitao ny fampianarana.

Publié dans Politique

Nihaona tamin’ny filohan’ny CENI, DAMA Andrianarisedo ny talata 10 may 2022 ny iraka manokana avy amin’ny Vondrona Eropeana, izay hanao jery todika mahakasika ny zotram-pifidianana eto Madagasikara.

Nanao jery todika, niara-niady hevitra ny roa tonta tamin’ny fanatanterahana ireo tolo-kevitra nandritra ny zotram-pifidianana teo aloha. Nodinihana tamin’izany ireo asa efa vita sy ireo tolo-kevitra noraisina, ireo asa izay eo an-dalam-panatanterahana, ary ireo asa izay mbola mitaky fifanakalozan-kevitra.

Publié dans Politique

L’Ambassadeur de Maurice à Madagascar, Marie Noëlle Françoise LABELLE, a été reçue par le ministre de l’Industrialisation, du Commerce et de la Consommation ce lundi 9 mai 2022 à Ambohidahy, pour une réunion sur la contingence tarifaire.

En effet, les exportateurs mauriciens se plaignent de devoir payer une taxe de 30% sur les pâtes alimentaires à destination de Madagascar, et que le remboursement de cette mesure de sauvegarde prend 6 mois, de quoi décourager les exportateurs.

L’Ambassadeur a mentionné le contingent tarifaire attribué à son pays depuis août 2020 qui leur épargnait cette taxe, puisque la part de Maurice ne représente que 17,19% des 10 000 tonnes qu’ils se partagent avec l’Égypte et l’Indonésie. La taxe de 30% ne doit être appliquée qu’aux quantités hors de ce quota, selon les dispositions de l’Accord de l’OMC sur les sauvegardes.

Publié dans Economie

11 mai : Journée mondiale des espèces menacées.

 

Publié dans Fil info

Ny UNICEF Madagascar dia nanome anarana, ho Mpanohana ny Zon’ny Ankizy, ny Printsesy ZOENDRENINY Elakovelo, izay hanohana indrindra ny UNICEF any amin’ny faritra atsimon’i Madagasikara.

Amin'ny maha mpiaro ny zon'ny ankizy azy, ny Printsesy dia hampiasa ny heriny hampiroboroboana ny fiovana ara-tsosialy eo amin'ireo vondrom-piarahamonina marefo, indrindra manoloana ireo fanamby any atsimo amin'ny sehatra maro, toy ny fanjarian-tsakafo, ny fahasalamana, ny fanabeazana, ny rano sy fidiovana ary ny fiarovana ny ankizy.

Ny Printsesy ZOENDRENINY Elakovelo moa dia filoha nasionaly sy mpanorina ny Fédération des Communautés Royales Traditionnelles, Coutumières Culturelles de Madagascar, Vice Présidente du Chambre Royale de la Diaspora de l'Afrique de L'Est.

Publié dans Art et Culture