Pr Zafy Albert : Mitsingerina androany ny faha-95 taona nahaterahany
Teraka tao Ambilobe ny 1 may 1927, mitsingerina androany ny faha-95 taona nahaterahan'i Pr Zafy Albert.
Nisy ny fametrahana fehezam-boninkazo teo amin’ny tsangambato fahatsiarovana azy, ao amin’ny zaridaina bôtanika Ambohijatovo, nataon'ireo mpiaradia sy iray antoko UNDD taminy.
Mpitsabo, mpandidy i Pr Zafy Albert. Mpitarika ny mpanohitra nitondra nankany amin'ny fijoroan'ny Repoblika fahatelo izy.
Filoham-pirenena teo anelanelan'ny 27 martsa 1993 – 5 septambra 1996. Filoham-pirenena malagasy voalohany niharan'ny fampiatoana amin’ny asany izy, rehefa notsipahan'ny solombavambahoaka.
Nodimandry tatsy Saint-Pierre La Réunion ny 13 oktobra 2017 i Pr Zafy Albert.
(Jereo Sary Tohiny)
Morondava : Amperin'asa ny Centrale Solaire Hybride hamokatra hatramin'ny 3MW
Misokatra amin'ny fomba ofisialy ny Centrale Solaire Hybride, ao Kimony, kaominina Bemanonga, Morondava. Tonga nitokana izany taty an-toerana ny Filoham-pirenena Andry RAJOELINA, ary efa am-perinasa tanteraka ity tobim-pamokarana ity, ary eto am-panombohana, dia efa mamokatra 1,4MW ho ana tokantrano 55 000.
Hamokatra hatramin'ny 3MW kosa ity tobim-pamokarana herinaratra ity rehefa vita avokoa ireo dingana rehetra.
Hampihena ny mety ho fahatapahan-jiro eto Morondava ny fampandehanana ity Centrale Solaire Hybride ity, ary hampihena ihany koa ny fampiasana solika eo anivon'ny JIRAMA amin'ny alalan'ny fampiasana angovo madio.
Tiako i Madagasikara : Nanetsika ny olony any Alaotra
Nihaona tamin’ireo mpiaradia aminy tany Amparafaravola sy Ambatondrazaka ny birao politikan'ny antoko Tiako i Madagasikara, notarihin'ny filoha teo aloha sady filoha Nasionalin’ny antoko, Marc Ravalomanana ny sabotsy 30 aprily 2022.
Tonga maro ny olona. Nanomana ireto farany hiatrika ny fifidianana 2023 ireo mpandaha-teny.