Filtrer les éléments par date : vendredi, 08 avril 2022

Fianakaviana iray ao Mahasoa, Fokontany Tanambao, Kaominina Ambalavero Distrikan'i Manakara, Faritra Fitovinagny no lasibatry ny fanapoizinana ara-tsakafo, vokatry ny fihinanana zava-maniry antsoina hoe : "veoveo na oviara".

Tafakatra dimy no namoy ny ainy hatramin’ny talata, ary maromaro no marary ka tena voamafy ny roa, ka nentina tsaboina ao amin'ny hopitaly ao Manakara.

Raha ny vaovao dia noana tsy nanan-kohanina efa ho telo andro ireto fianakaviana ireto, ka ity "veoveo'' ity no sendra azy ireo dia nandrahoina nohanina, ka izao nampidi-doza izao.

Zava-maniry tena vokatra amin'iny faritra Fitovinagny iny ny “veoveo” izay toy ny ovy raha jerena amin’ny endrika ivelany. Misy olona mampiasa azy io ho fanafody fery fa tsy hohanina noho izy mangidy mangananganana.

(Jereo Sary Tohiny)

Publié dans Vaovao

Hanamboatra toeram-pidiovana miisa 6 eto Antananarivo Renivohitra ny Orinasa PINKIE, ary toeram-pivoahana miisa 9 hataon’ny Orinasa COGELEC.

Foto-drafitrasa manarapenitra sy manaraka ny kalitao no hatsangana amin’izany, ary mitsinjo ireo olona manana fahasembanana amin’ny fanamorana ny fidirany amin'izy ireny.

Eny amin’ny Coum 67 ha, ny tsena vaovao eo Anosy, Ambohijatovo, Anosivavaka ary Analamahitsy no hametrahana ny toeram-pidiovana.

Eny Andohatapenaka I, zaridaina Antanimena, Mahavoky Besarety, Ivandry, Anosy, Ampatsakana, zaridaina Ambohijatovo ary Analakely kosa no hametrahana ny trano fivoahana.

Notanterahina tao amin’ny Lapan’ny Tanànan'Antananarivo, ny Alakamisy 07 aprily 2022, ny fanaovan-tsonia fifanaraham-piaraha-miasa mikasika izany, teo amin’ny Kaominina Antananarivo Renivohitra sy ny orinasa PINKIE ary ny orinasa COGELEC.

Haharitra telo volana ny fe-potoana anaovana ny asa.

 

 

Publié dans Vaovao

Misy andian'olona ivondronana sendika, antoko politika, fikambanana toy ny mpamily Taxi, mpivarotra… nilaza ny hidina an-dalambe ity faran’ny herinandro ity hitaky ny fialan'ny Ben'ny tananan'Antananarivo, araka ny fanambarana nataon’izy ireo omaly alakamisy.

Etsy ankilany dia nomen’ny Kaominina Antananarivo alalana hanao diabe, hampiasa arabe amin’ny toerana maromaro miainga eny Andohatampenaka, miazo an’ny 67ha, Anosy, Analakely, Behoririka iny ireo mpanao Taxi-moto, izay mbola tsy ara-dalàna, ny sabotsy 09 aprily 2022.

Hafampana ny ao an-drenivohitra io sabotsy io, ary ahiana aza ny hisian’ny fifandonana, ankoatra ny ho fanelingelenana ny fifamoivoizana sy ny asa fiveloman’ny olona.

 

Publié dans Politique

Tonga nitsidika ara-pomba fifanajana an'Andriamatoa TINOKA Roberto, Minisitry ny Tanora sy ny Fanatanjahantena, tao amin'ny toeram-piasany ao Ambohijatovo ny fianakaviam-ben'ny mpikatroka ny taranja "Kick boxing" izay notarihan'ny Jeneraly LYLISON René de Rolland, Filoha mitantana ny federasiona.

Niarahaba ny Minisitra izy ireo amin'izao fitantanany indray ny Minisitera izao, sy hametraka ny fatokisana ny hananana hoavy tsara amin'ity taranja ity eto Madagasikara, ary hamerina indray ny lazan'ny Kick boxing, izay nahazoantsika tompondaka manerantany.

“Vonona hanohana hatrany ny mpanao fanatanjahantena rehetra ny Ministera”, hoy ny Minisitra TINOKA Roberto, ary miandrandra vokatra tsara isika amin'ny lalaon'ny Nosy, izay ho tanterahina eto amintsika ny taona 2023.

(Jereo Sary Tohiny)

Publié dans Sport